Miaramilan’Iavoloha (GP) : Mitety toby miaramila mizara vola

Araka ny loharanom-baovao voarainay eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, hampiasa miaramila ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ireo olona akaiky azy tsy hialany amin’ny toerany. Noho izay antony izay, misy amin’izao fotoana miaramila manam-boninahitra lefitra miasa eny Iavoloha, na GP (Garde Présidentielle) mitety toby miaramila mizara vola manambitamby ireo mpikambana ao amin’ny COSOFAM, na ny fikambanan’ireo miaramila manam-boninahitra lefitra eto an-drenivohitra. Hasaina hiteny sy hiaro ny Filoha Hery Rajaonarimampianina izy ireo fa tokony hamita ny fotoam-piasany ny Filoham-pirenena araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Fantatra ny anaran’io manam-boninahitra lefitra avy eny Iavoloha io, ary efa arahan’ny mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey maso akaiky ny mahakasika azy amin’izay fizaram-bola izay, ary hoezahana ho tratrarina ihany koa amin’ity ady amin’ny resaka kolikoly ataon’ity fitondrana efa hiongana ity.

Ny Valosoa

5 Commentaires

  1. Mandeha ambaratonga izy izany. Efa tsy voafehy intsony ny @ fitsaràna. Dia alefa ny be baoty. Film efa nandeha ny fahana vola sy rongony.
    Tsy tratran’izany ny tolona. Efa mitombo ny andrimaso.
    Vao maika mandeti-tena Rajao sy ny forongony.

    Répondre
  2. ravao tanteraka ohatra FRS koa ireo raha mitady , ny miaramila sy ny polisy natao hiaro ny vahoaka fa tsy amono ny vahoaka , aoka izay ny kolikoly sy ny repoblika bananière,

    Répondre
  3. maninoa moa raha foananana tanteraka fa sady lany ny volambahoaka tsy misy ilaina azy , dahalo ary voamaika nitotosaka eto madagasikary

    Répondre
  4. japon , ny Allemagne se développer en un rien de tant rehefa tsy navela mikitika basy intsony après 2 eme guerre mondiale , prenons l’exemple

    Répondre
  5. coup d’Etats sy fanamporetana ary fiarovana olombitsy ny asa ny itony , ny privés mahavita any izany fa tsy ny vola ny vahoaka no ampiasana any izany, ary mahatoa tsy mahatoky tena dia MPANGALATRA IZAY ! Ravalo au moins a investi à mada de toutes ses forces, nampiasa ny vahoaka malagasy , orinasa malagasy ,

    Répondre

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *