Rajaonarimampianina : Hirodana rahampitso zoma ny fitondrany

Raha ny tokony ho izy tokoa dia miala amin’ny toerany ny Filoha Hery Rajaonarimampianina satria tsy vitany hatramin’isika miteny izao ny nanangana ny Haute Cour de Justice (HCJ) na ny Fitsarana Avo. Mitombina tsara rahateo ny fitoriana nataon’ireo Solombavambahoaka 73 momba io raharaha io. Manana 72 ora ny filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny nambaran’ny HCC hanaovana ny fiarovantena. Dia hoy isika manao hoe : sitrapon-dRajaonarimampianina ny tsy nanangana ny HCJ. Tsy nisy nanelingelina izy , tsy nisy nanakotaba izy saingy tsy nataony ny andraikiny . Nohitsakitsahany ny Lalampanorenana sady tsy noraharahiany . Tsara ny manamarika fa tsy afaka mirotsaka intsony i Hery Rajaonarimampianina raha toa ka hoesorin’ny HCC eo. Betsaka anefa ny rijiky na ny chance hanesorin’ny HCC azy amin’ny toerany satria efa nahomby koa izay fanalana azy tamin’ny toerany izay teny amin’ny Antenimierampirenena, nony tonga tetsy Ambohidahy anefa dia nasainy nampihatra ny pacte de responsabilité ny filoha.

Arak’izany dia efa miverimberina ity tsy fanajana lalampanorenana ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity ka rariny sy hitsiny raha esorina amin’ny toerany amin’izay izy amin’ity indray mitoraka ity, ny dikany dia hirodana rahampitso zoma ny fitondrana Rajaonarimampiesona. Ankoatra izay anefa raha tsy eo amin’ny toerany intsony ny Filohampirenena dia tsy ilain’ny mpitolona koa ry Rivo Rakotovao sy Mahafaly Olivier Solonandraisana . Mandritra izany dia mitohy ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey Analakely, izay sehatra ihany koa hifampitana ny vaovao isan-karazany avy any amin’ny faritra isan-karazany manerana ny nosy . Tsotra ny fipetraky ny resaka ankehitriny , manao tsipaky ny miala aina ny fitondrana Rajaonarimampianina . Misy ohatra ny horonantsary alefan’ny sasany ao amin’ny Tvm mampiseho ny krizy tamin’ny taona 2002 sy 2009, ka ny tanjona amin’izany dia hitarihana ny olona hanakiana ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 . Tsapa fa efa manomboka lany bala ny fitondrana ka mampiasa izay faraheriny sisa . Tsy adala tokoa ny vahoaka Malagasy  fa mahafantatra ny tokony hataony . Efa akaiky ny farany ho an’ity fitondrana ity , izay no marina, sa ahoana hoy ianao ?

Rina Rabemananjara

1 Commentaire

  1. Efa akaiky tokoa. Na izany aza mila embesana mafy fa biby mafy aina sy masiaka.

    Aboridana fa sao manafina bala! :)))

    Répondre

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *