Tolon’ny depiote 73 : Tranga fanararaotra ho an’ny politisiana sy ny gasy mamba fahefana

Tsy vao tamin’ity taona ity  no nisy hetsika tahaka izao teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey satria ny tolon’ny mpianatry ny Anjerimanontolo izay nisian’ny fandatsahan-drà ny Malagasy teo ny taona 1972 no nanomezana io anarana io ny toerana manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Teo no niainga ny hetsika fanoherana ny fitondrana kanefa tsy teo avokoa no nisy ny rà latsaka satria ny taona 1972 sy tamin’ity taona 2018 ity no nisy izany. Raha tsiahivina dia teny Andoharanofotsy no nitrangan’izany ny volana Aogositra taona 1991, ary teny Antaninarenina ny volana Febroary taona 2009. Manoloana ny toe-draharaha toy izao ary amin’ny maha olombelona ny olombelona dia tsy maintsy misy hatrany ny tsy manohana ny hetsika an-daniny, ary an-kilany kosa ny manohana izany. Ny antoko politika, ny fikambanana, ny vondron’olona tsy miandany dia mazava ho azy fa matoa mitsipaka marin-drano ny hetsika izy ireo dia noho ny tahotra, raha mahomby tokoa mantsy ny tolona ka mirodana ny fitondrana tohanany dia ho very ny tombontsoa rehetra nositrahany. Tsapa hatramin”izay koa fa amin’ny tolona tahaka izao dia mitombo andro aman’alina ny mpanohana. Miseho sy manao fanambarana amin’ny haino aman-jery avokoa ny fikambanana tsy fanta-pihaviana, ny mpijapy lamasinina mandeha, ny sakaizan’ny mpandresy, ireo zatra misolelaka noho ny fikatsahana izay mety mahasoa ny tenany na ny fikambanany. Tsy nisy loatra ireo karazan’olona ireo tamin’ny taona 1972 satria tsy nampoizina ny firongatry ny vahoaka izay nirohotra saika niakatra teny Andafiavaratra ny Alatsinainy 15 Mey. Mbola tsy  maro tahaka izao koa ny haino aman-jery tsy miankina ary tsy niroborobo toy izao ny serasera. Ny mpitandro filaminana dia voalaza hatrany fa nanatanteraka baiko avy amin’ny mpitondra nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana. Niavaka kosa ny tranga tamin’ny 7 Febroary 2009 satria niaraha-nahalala ny teti-dratsy nentina nanosoram-potaka sy niampangana an-dRavalomanana Marc. Nanamafy izany ny fijoroana vavolombelona nataon’ny kolonely Charles. Raha ny zava-nisy teny Antaninarenina ihany koa dia hita fa tsy avy ao amin’ny Lapam-panjakanan’Ambohitsorohitra ny tifitra. Tsy izay lafiny izay no tiana hasongadina eto fa ny fihetsiky ny politisiana gasy eo anatrehan’ny toe-draharaha tahaka izao. Niaraha-nahalala fa saika ny mpitarika antoko politika rehetra dia nanohana ny revolisiona lokom-boasary (revolution orange) notarihan-dRajoelina Andry avokoa. Naniry tahaka ny anana ihany koa ny antoko politika satria samy mba te-hahazo ny anjara gatô avokoa ny rehetra. Samy nahazo ny anjarany daholo tokoa ny nanohana rehetra hatramin’izay niaraka tamin-dRavalomanana Marc nivadika aza. Amin’izao tolon’ny depiote 73 ho an’ny fanovàna izao dia maro ny fikambanana sy antoko politika ary ireo milaza ho tia Tanindrazana no manao fanambarana fa manohana ny tolona ary mitaky ny fialàn-dRajaonaraimampianina Hery sy ny governemanta ary ny fandravàna ny rafitra mijoro rehetra.

Tsy tongatonga ho azy koa ireo iraky ny vondrona iraisam-pirenena fa nisy niantso izy ireo ary tsy azo lavina fa tsy maintsy ny eo amin’ny fitondrana ihany no afaka manao izany. Efa afo nandoro ny lamba ireny iraka handamina avy any ivelany ireny ka tsy azo ekena intsony ny fitsabahany amin’ny raharahan’ny Malagasy. Ny manahirana amin’ny gasy, indrindra ny politisiana, anefa dia ilay tonga amin’ny fitenena hoe: “hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha”. An-kilany koa dia misy ny mihevitra fa “izy ireo no namono ny voay” ka tsy homeny ho ravahan’ny hafa velively ny vangin’ny voay novonoiny. Miaraka ny TIM sy ny MAPAR, ny MMM sy ireo depiote tsy miankina sasany noho ny tranga politika itovizam-pijery. Tsy misy maha ratsy izany saingy hatraiza izany no iarahana ary efa nifamela tamin-kitsimpo ve tamin’ny raharaha 2009? Tsy nahavaha olana ny fifidianana raha ny disadisa naterany hatramin’izay no didihana. Tsy maintsy hatao koa anefa izany saingy tsy azo ekena kosa raha ny fitondrana sy ny rafitra napetrany no hanatanteraka izany satria,voaporofo tamin’iny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana narosony iny ny tetidratsiny. Araka izany dia tsy maintsy iaraha-manaiky fa tsy maintsy mihavana aloha ny politisiana tsy an-kanavaka ary ravàna ny rafitra rehetra amin’izao Repoblika IV izao. Hatsangana ny rafitra  tarihan’ny olompirenena tsy mbola nanana lasa politika maloto, sahy mijoro amin’ny fahamarinana sy mandàla ny tany tàn-dalàna, hanomana ny fifidianana sy hitsabo ny aretina rehetra mianjady amin’ny Firenena sy hamongotra ny toe-tsaina tia tena sy tsy mitetika hafa, tsy handroba ny harem-pirenena.

Andry Tsiavalona

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *