Faly aho niara-niombombavaka teto Ambalavao

Faly aho niara-niombombavaka teto Ambalavao, ary nanararaotra ny fihaonana teto ihany koa nanaovako tatitra momba ny tsangambaton’ny fahadimampolo taonan’ny FJKM sy ny faharoanjato taona nidiran’ny LMS. Mandeha tsara avokoa ny asa na ny ao Antananarivo na ny any Toamasina. Tsy hitsangamenatra tokoa isika zanaky ny Fiangonana FJKM 6700 manerana ny nosy. Ary mankasitraka ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny ezaka lehibe ataontsika.


Mamporisika ny kristiana FJKM hiray hina sy hifankatia hatrany manoloana ny zavamisy eto amin’ny firenena. Tsy ny hevitra tsy mitovy no hampifanditra. Mamporisika antsika hitondra ambavaka sy hivavaka ho an’ny tanindrazana. Mino isika fa hilamina tsy hoela ny olana mitranga.


Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny Fiangonana Fjkm 45 eto amin’ny synaodamparitany SPO4 ity sy ny zanany rehetra.

 

L’image contient peut-être : 1 personne

L’image contient peut-être : 5 personnes, personnes souriantes, personnes sur scène et chaussures

L’image contient peut-être : 1 personne, foule, ciel et plein air

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *