Fikambanana Tany sy ny CRAAD-OI : Tokony ho foanana ny fahalanian’ny lalana momba ny ZES

Manoloana ny fahamaroan’ny hetsika sy ny fahavitrihan’ny mpanandratra ny Faritra Ekonomika Manokana ZES  sy  ny  tetikasa  hafa  manome  tombontsoa  manokana  ny  vahiny,  mandritry  ny  mpanao  politika mifanolana momba ny  lalàm-pifidianana, dia manome  lanja ny  fanamafisana ny adi-hevitra mikasika ny lalàna momba ny ZES ny Fikambanana TANY sy ny CRAAD-OI. Ny  fandaharana ny  fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena dia mampiseho  fikasàna handany ny volavolan-dalàna  laharana 033-2016  taminy 17 Aogositra 2016 manome alàlana ny  fankatoavana ny fifanarahana  hametrahana  ny  Vaomiera  Iombonana  eo  amin’ny  Repoblika Malagasy  sy Maorisiana amin’ny herinandro ho avy. Mampahatsiaro mafy ilay fifanekena lasitry ny fiaraha-miasa momba ny ZES ao Toliara  izay voasonia  tao Port-Louis  tamin’ny  faha-11 Marsa 2016 io anaran’ny volavolan-dalàna  io. Za-dratsy  loatra ny fomba fiasa mifanohitra amin’ny demokrasia sy ny teny  ifampieràna ny mpitondra sy mpandray  fanapaha-kevitra malagasy  ka  tsy miraharaha ny  fangaraharàna  ary mandany  lalàna  izay  tsy nampahafantarina  ny  olompirenena  ny  votoatiny.  Koa  mamerina  ny  fangatahana  izahay  ny  hisian’ny fifanakalozana  sy  adi-hevitra  mikasika  ny  volavolan-dalàna  rehetra  mahakasika  ny  tany  Malagasy alohan’ny itondràna sy hampisehoana azy any  amin’ny Antenimierampirenena, hoy ny fanmbaran’izy ireo. Ankoatr’izay, ny  lalàna momba ny ZES dia  lany ny  faha-3 Aprily 2018  tamin’ny  fomba  tsy azo ekena  toy ireo  lalàm-pifidianana  izay  fototry  ny  kirizy  ara-politika  miseho  ankehitriny.  Ny  daholobe  tsy

nampahalalàna  raha  nisy  fanovàna  na  tsia  ny  votoatin’io  lalàna  io  taorian’ny  nanambaràn’ny  Fitsaràna Avo   momba ny Lalàmpanorenana  (HCC),  fa mifanipaka amin’ny Lalàm-panorenana ny andininy maro ao amin’ny lalàna laharana 2017-023. Koa tokony foanana tsy hanan-kery koa io fandaniana io. Nanambara  ny  Filohan’ny  Repoblika  vao  haingana  fa  tsy  fivarotana  ny  tany  malagasy  ny  ZES  fa « fampanofana  mandritry  ny  30  taona  azo  havaozina »  fotsiny.  Misy  fanandratana  hevitra  (publi-reportage)  nalefa  tamin’ny  fahitalavitra mihoatry  ny  iray mamerimberina  io  fandresen-dahatra  io,  izay manafintohina olompirenena maro. Tianay tokoa mantsy ny mampahatsiahy  indray fa ny fampanofana tany mandritry ny fe-potoana maharitra antsoina hoe “bail emphytéotique” ao Madagasikara dia mampananontanona ny fahaverezana tanteraka  ny  tany  malagasy  satria  manome  alàlana  ny  orinasa  mpanofa  hanao  antoka  ny  ampahany amin’ny velarantany any amin’ny banky. Ny  tranga malaza  indrindra mikasika  izany dia ny nanaovan’ny orinasa tao Ambatovy antoka tany midadasika amin’ny hekitara maro any amin’ny banky any ivelany. Ankoatr’izany dia haverinay eto koa fa ho an’ny fianakavian’ny tantsaha izay mivelona sy mamboly eo  amin’ny  tany  voakasik’izany,  dia  mitovy  tsy  misy  valaka  amin’ny  vokatry  ny  fivarotana  tany  ny fiantraikan’ny  fampanofana  tany  satria  ho  very  fananana  sy ho  voaraoka,  amin’ny  fomba  tsy  misy fitsimbinana  mihitsy  izy  ireo,  noho  ny  antony  voalaza  fa  ho  an’ny  tombontsoan’ny  daholobe,  nefa  ny homena ny tany sy hahazo tombontsoa amin’ny ZES dia mpampiasa vola tsy miankina. Ny famaritàna fa azo havaozina  io  fampanofàna  io dia mahatonga ny faharetany tsy ho voafetra, indrindra   fa  ny  politikan’ny  mpitondra  nandritry  ny  taona  maro  nifanesy  izao  dia  ny  hanome lalandava  ny  laharam-pahamehana  ho  an’ny  fampiasàna  sy  fanomezana  tany  ny  mpampiasa  vola,

indrindra fa vahiny, izay miteraka fambotriana ny tombontsoan’ny mponina maro an’isa.  Ao amina « video » azon’ny rehetra takarina  dia misy mpiandraikitra iray miresaka momba ny tombony ho entin’ireo Faritra Ekonomika Manokana (ZES) ireo ho an’ny firenena. Rehefa avy nisalasala kely izy dia nitanisa  ny  zara-tombony («dividendes »),  izay  tsy  nofaritiny  hoe  avy  aiza  ny  fotony,  sy  ny  hetra  izay haloan’ny mpiasan’ny orinasa ao amin’ny ZES. Mazava ho azy fa tsy voatery hanolotra tany aman-jatona hekitara ireo orinasa, izay vahiny ny ankamaroany, vao afaka hampiditra vola toy ireo ho an’ny Fanjakàna. Ny fitanisan’io olona avo toerana io ny orinasa QMM ho ohatra, dia nampiverina tao an-tsain’ny mpihaino maro ny fampitomboan’ny QMM ny renivolany tamin’ny volana desambra 2015. Taorian’izany mantsy no nahafantarana fa nanomboka teo ny zara-tombony (dividendes) izay tokony ho entin’ny orinasa QMM ho an’ny  fanjakàna Malagasy  dia  harotsaka mivantana  any  amin’ny  orinasa  Rio  Tinto mandritry  ny  taona maro ho avy.  Io  fakàna ny orinasa QMM ho ohatra  io sy ny  famakiana andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna  laharana  2017-023  dia mampitombo mafy  ny  ahiahy. Mananontanona mantsy  fa  ny  vola  ilaina amin’ny  famoronana  sy  fametrahana  ny  Faritra  Ekonomika Manokana  (ZES),  izay  ahatratra  2  lavitrisa dôlara  ho  an’ny  ZES  ao  Antsiranana  araky  ny  vinavina  nambaran’ny  tompon’andraikita dia  ho  hita amin’ny alalan’ny  findraman’ny  firenena malagasy  vola  ka hiteraka  trosa havesatra  sy hihoampampana ho an’ny taranaka fara-mandimby malagasy. Na ahoana na ahoana, ny ohatra noraisin’ilay mpiandraikitra dia manamarina fa ho kely dia kely ny vola tombony ho azon’ny Fanjakàna amin’ny fametrahana ZES nefa maro ny loza mitatao sy hitranga ho entiny ho an’ny mponina. Ao  anatin’io  « video »  io  ihany,  dia  misy  mpanandratra  ny  ZES  hafa  makadiry  manambara  fa  ny fametrahana ny Faritra Ekonomika Manokana (ZES), dia mifanandrify amina « safidy mikasika ny fiaraha-

monina ».  Tsindrianay  mafy  eto  fa  izany  vinam-piaraha-monina  izany  dia  mifanipaka  amin’ny tombotsoan’ny Malagasy maro  an’isa  satria  hiteraka  fahaverezan’ny  velarantany midadasika  ho  an’ny fianakaviana sy  taranaka  fara-mandimby maro an’isa.  Ireo velarantany  ireo anefa  tena ho  ilain’izy  ireo amin’ny fandrosoany sy fivelarany amin’ny fomba maharitra.

–     Ny tsy fisian’ny adi-hevitra sy fakan-kevitra tamin’ny olom-pirenena teo amin’ny ambaratonga nasionaly momba io volavolan-dalàna mikasika ny ZES io,

–  ny  finiavana hanome ny AZES – Fahefàna mandrindra ny Faritra Ara-toekarena Manokana – ny fahefana fototry ny Fitondra-panjakàna ao anatin’ny lalàna,

–  ny  fiziriziriana  sy  fampiasana  fomba  tsy  mendrika  sy  amboletra  nataon’ny  mpitondra  mba hampandaniana io lalàna io taminy 3 Aprily 2018 teo anivon’ny Antenimieram-pirenena taorian’ny nandavan’ny solombavam-bahoaka azy tamin’ny herinandro teo aloha,

–  ny  fampielezana  hafatra  fandresen-dahatra  maro  sy  matetika  noho  ny  mahazatra  alohan’ny hivoahan’ny fanekena ilay lalàna ho azo ampiharina (promulgation) dia  miteraka  fanontaniana  maro  momba  ny  mety  ho  efa  fisian’ny  fanomezana  toky  olona  sy vondron’olona any ivelany nataon’ny manam-pahefana eo amin’ny ambaratonga nasionaly.

Nangonin’Isambilo

 

1 Commentaire

  1. Miarahaba, tsy misy tonga any anaty vilanin’85% vahoka hatreto zanytany ampanofana izany .Hatram’zao aloha dia ny mpanofana tany na ny mpivarotra tanim-panjakana sy ny miray tsaky @izy ireo no mahazo tombony ka voky hatenda sy afa-mapiana-janaka araky zay sekoly tian’izy ireo hampianarana ny zanany na n’aiza fa zahay valalabemandry dia fadiranovana hatrany.

    Zaho aloha dia leo tetezamita, jereo lay tetezamitatra teo. Tsy misy fomba hafa azo atao ve?. Visavisan-dratsy hiavian’soa sao santry ho ratsy noho ny @ izao mpitondra efa mampikaikaika izao no hiseho raha handalo tetezamitatra ndray. Ny hanongotsongona ny maty matahotra sao handevimbelona.
    Manohana ny 73 fanovana hatrany amboalohany aho ka atsipy ny TENY.

    Mandrampiverina eto indray e. Ary hanohana ny fikatsahana ny soa @ fanavotana ny tanindrazana anie Andriamanitra ary ny Razana nialoha ndrindra reo mahery fo n’ny firenena.