Mizotra amin’ny fipoahana sosialy ny zava-misy eto amintsika

Maro no mametram-panontaniana manao hoe : fa maninona ilay fanjakana tarihan’ny Hvm no minia tsy mampisy resaka mihitsy ny toe-javatra efa mampikaikaika ny vahoaka ?  Samy miteny daholo ny sokajin’olona samihafa sy ny sehatra isankarazany saingy henoy izany ra-hazondamosina . Efa tao anatin’ny taona vitsivitsy no efa notenenina ity fitondrana ity saingy tsy nasiany sira  araka ny fitenenana . Natao ny fihaonana nokarakarain’ny FFKM  teny amin’ny  CCI Ivato  izay nanasongadinana ny 4 F  kanefa tsy nahataitra ny fitondrana , nolazaina indray aza fa tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaham-panjakana ny Fiangonana, kanefa tena fitiavana ny firenena sy fanampiana no nentin’ny FFKM ; inona moa no maharatsy ny Fampihavanana ? Izao iarahana mahita izao anefa ny fahoriana iainan’ny Malagasy .

Mampiaka-peo ny SEFAFI izay milaza fa barofom-pifidianana no misy eto Madagasikara saingy tsy raharahian’ny sasany izany ; milaza ny tsy mety ny Sendika fa tsy misy miraharaha  , Mampaneno lakolosy ny Jeneraly misotro ronono fa tsy mety izao fomba itantanana ny firenena izao, fa mampitombo ny fahantran’ny Malagasy , tsy mampihontsona ny mpitondra. Manao antso avo ny Fiarahamonim-pirenena fa maro ny zavatra tokony hamboarina eo amin’ny fomba hitantanana an’i Madagasikara  saingy tsy valiny ; naneho hatramin’ny farany ny tsy fanekena ny Lalampifidianana nolaniana teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Depiote  notarihan’ny Tim sy  Mapar ary ny tsy miankina  fa mbola nolaniana amboletra  ihany. Milaza ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy misy tokony hahilika amin’ny filatsahana ho fidiana , fa mbola natsofoka ihany ny lalàna izay manilika ; mandeha ny tsikera ataon’ny olona amin’ny Facebook sy ny fanehoan-kevitra amin’ny onjampeo fa tsy misy miraharaha ; mitabataba ny any ambanivohitra amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny faharatsian’ny lalana fa izay hanamafisana seza ihany no mahamaika ny sasany . Dia hoy isika manao hoe : raha izany ary no izy dia handeha any amin’ny fipoahana Sosialy ity raharaha ity ka zakao izay mety ho vokany. Sa ahoana hoy ianao ?

Rina Rabemananjara

 

 

 

 

 

 

 

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *