Kolonely Ratsimandrava Richard : ny asany nanaraka azy tokoa

Raha hijery ny tantaran’ny firenena maneran-tany, na tany Amerika (Avaratra sy Atsimo) na tany Eraopa na tany Azia na taty Afrika dia nisy ireo filoham-pirenena maty novonoina noho ny fifanoherana ara-politika amin’ny ankapobeny. Nisy nivoaka horonantsary izy ireny izay mety ho famerenana ny tena zava-nitranga tokoa (reconstitution), niainga tamin’ny fanadihadihana lalina natao. Nalefa tamin’ny fahitalavitra na tany amin’ny trano fijerena horonantsary ny sasany ka anisan’izany ny “JFK”, ny “Il pleut sur Santiago”… Ny taty Afrika kosa dia toa nijanona ho “mistery” araka ny filazana azy ny famonoana filoaham-pirenena toy ny tany Egypta sy Burkina Faso… Anisan’ny nitrangana izany famonoana filoham-panjakana izany koa teto Madagasikara teloambiefapolo taona lasa izay, ny 11 Febroary 1975. Raha ny fitantarana azy dia tratran’ny vela-pandrika teo Ambohijatovo Ambony ny Kolonely Ratsimandrava Richard ka ilay polisy tao amin’ny GMP (Groupe Mobile de la Police), Zimbo no nanao tifitra variraraka ny fiarakodia nitondra azy. Araka ny fantatra anefa ny dokotera izay nanao ny fitiliana dia nanambara fa ora maro talohan’io vela-pandrika io no efa maty izy. Araka izany dia teny amin’ny biraony tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany izany no nisy namono izy. Na izany na tsy izany dia tsy mbola misy porofo mivaingana sy fanadihadihana lalina momba iny tantara iny hatramin’izao saingy azo atao ny manao tombatombana momba ny anton’ny namonoana azy. Iverenana ny toe-draharaham-pirenena nanomboka ny taona 1971 izay mety tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny volana Aprily 1971 dia nisy ny hetsi-bahoaka notarihan’i Monja Jaona tao Toliara noho ny tsy fisian’ny vary nohanin’ny mponina kanefa nisy tao amin’ny trano fitehirizana iray izay notafihan’ny olona namoahana izany. Maro ny maty tamin’izany fotoana izany. Niaraha-nahatsiaro fa ny Kolonely Ratsimandrava Richard no nibaiko ny zandary nanao ny iraka nandrava izany hetsika tany izany ary toy ny manamboninahitra rehetra, na amin’izao fotoana izao aza, dia tsy maintsy manatanteraka ny baiko omen’ny mpitondra fanjakana.  Herintaona sy iray volana taty aoriana, ny volana Mey 1972 dia voatendry ho minisitry ny Atitany tao amin’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel izy. Telo taona latsaka kely no nitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel (Mey 1972 – Febroary 1975). Iraikambinifolo ny minisitra nandrafitra izany governemanta izany. Azo lazaina fa samy nandray andraikitra feno ary nanatontosa ny asa nanandrify azy tao anatin’ny fitiavan-tanindrazana ny tsirairay. Tsiahiviny amin’izany ny “fifanaraham-piarahamiasa vaovao (nouvel accord de cooperation) teo amin’i Madagasikara sy i Frantsa; ny fangalan’ny Fanjakana ho fananam-pirenena ireo orinasa goavana notantanin’ny voanjo. Tsy azo notsinontsinoavina koa ny nametrahan’ny Kolonely Ratsimandrava Richard ny rafitra vondrombahoaka itsinjaram-pahefana dia ny “Fokonolona” izany.

Nandritra ny fotoana nitantanany ny minisiteran’ny Atitany dia tsy nitsahatra nanentana momba ny fanamafisan’orina ity rafitra miverina ifotony sy mifototra amin’ny kolontsaina malagasy ity ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Noho ny disadisa ara-politika teo amin’ny fitantanana ny Firenena anefa dia voatery nametraka fialàna ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ka namindra ny fahefana feno ho an’ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Mbola misitery ihany koa ny anton’ny nametrahan’ny jeneraly fialàna satria ny hoe: “latsaka an-katerena ny firenena…” no nanakoako tao an-tsain’ny Malagasy tamin’izany tetsy andaniny, ary teo ankilany kosa ny hoe: “tsy hiamboho adidy aho mon Général…” Azo inoana fa nahafantatra tsara ny antony naha-latsaka an-katerena ny firenena izany ny Kolonely Ratsimandrava Richard ary azo antoka fa olana sy tsy fitoviam-pijery ary fironana ara-politika nifanipaka teo anivon’ny governemanta ihany koa. Niaraha-nahatadidy fa vanim-potoana niakaran’ny kolonely teo amin’ny fitondrana taty Afrika ny taona fitopolo izay nirona tamin’ny firehana sosialisma (kaominisma) avokoa. Tsy mitovy velively anefa ny fotopisainana sosialista tatsinanana sy ny rafitra fokonolona eto Madagasikara izay tena fitantanana sy fampandrosoana miainga avy any ifotony mihitsy. Efa nezahan’ny mpanjanaka nopotehina ity rafitra nezahina naverina ity indray ka izay no mety nitsirian’ny hevitra avy any naminganana ny kolonely, indrindra raha izy no lasa filoham-panjakana izay tsy maintsy nitady ny hevitra rehetra nanamafy orina izany. Nametraka ny rafitra miainga amin’ny fokonolona ihany ny fitondrana nifandimby taty aoriana saingy tsy tao amin’ilay fotopisainana tena malagasy. Amin’izao Repoblika IV izao dia rafi-pitantanana tsy mahefa na inona na inona ny fokontany ka tsy mila ny hevitry ny fokonolona izany intsony fa manatanteraka baiko avy amin’ny distrika sisa ny anton-draharahany. Tsy nisy ary tsy nilaina intsony ny fivoriam-pokonolona hangalana ny heviny momba izay fampandrosoana sy fampivoarana ny fiainana eo anivon’ny fokontany. Tsy mahagaga izany satria na ny lalàmpanorenana aza moa natao “kopi kolé” tany amin’ny firenen-kafa.

Andry Tsiavalona

1 Commentaire

  1. Misy tokoa ny horonantsary nataon’ny afrikana toa ny « Lumumba » tany Kongo ary « Biko » tatsy Afrika Atsimo na tsy filohampirenena aza ity farany. Fa raha oharina amin’ny fiezahan’ny Burkinabe hahalala ny marina momba an’Itpk Sankara fotsiny dia ampaladiany ny finiavana hahalala ny tantara eo amin’ny tanora eto amintsika ankehitriny.