Sao fikasana hanandratra olombitsy hafa indray ny tetika ?

Natao vely sarom-bilany mba haresaka eran’ny tanàna, fa hanao fanambarana lehibe amin’ny vahoaka Malagasy i Andry Rajoelina amin’ny alahady ho avy izao. Mazava loatra fa volabe no naparitaka tamin’izany mba hivoaka amin’ny haino aman-jery sy fitaovan-tserasera samihafa. Mampahatsiahy ny taona 2008 niketrahan-dRajoelina ny fanonganam-panjakana niainga avy any Frantsa ny zava-misy ary nigadona teto an-tanindrazana izy niaraka tamin’ny volabe avy anatiny sy avy any ivelany sy ny fanohanana frantsay mpanao politika maloto. Ny alahady izy no tafaverina teto indray rehefa avy namelabelatra ny eritreriny manokana ny 26 Janoary lasa teo tao Paris tamin’ireo olo-maro izay ny ankamaroany vahiny avokoa. Efa nampieritreritra lalina ny mpanara-baovao sy mpandalina ny fiainam-pirenena ny fahitana ireny karazan’olona marobe ireny, fa tsy mandehandeha ho azy akory. Miseho ho mahay hamoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao ny tenany araka ny vaovao novoizina. Ilay firenena nopotehiny nanomboka tamin’ny taona 2009 tamin’ireo orinasa marobe norobaina, ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM nodorana, fiainana Malagasy aman’hetsiny potika noho ny fahapotehana sy ny fikatonana orinasa izay. Nitotongana nanomboka teo ny fiainan’ny Malagasy. Ho an’ny mpandinika dia nanomboka niharatsy ary tsy nitsaha-nikorosy fahana vokatry ny fihetsik’ireo nandrombaka fahefana tamin-kery notarihiny. Niha- nahazo vahana ny asan-jiolahy sy ny firongatry ny habibiana nampihoron-koditra ny vahoaka. Tsy nitsaha-nitontongana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, fa ny an’ireo olom-bitsy nitarika sy lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fanonganam-panjakana no nitombo harena sy nigalabona tamin’ny fiadanam-be.

Tsy tanteraka akory ny fampanantena nataon-dRajoelina nentina namitahana ny vahoaka nanara-dia azy tamin’izay toy ny hoe ahenany ho 500 Ar ny kilaon’ny vary, ary 1000 Ar ny litatry ny menaka. Sodokan’izany tanteraka ireo marivo salosana sy mihinana amam-bolony ka nanara-dia anjambany fotsiny tsy am-piheverana na dia hizotra ho an’ny fanapotehana ny firenena aza iny lalana iny.  Milaza ho nahavita foto-drafitr’asa izy tao anatin’ny tetezamita, nefa iaraha-mahalala ny vola nanaovana an’izany, fa tsy avy  amin’ny fiharian-karenan’ny firenena akory izay tsy nisy fitomboana mazava akory. Ireo lazainy ho natsangany anefa tsy nampitombo ny vola tao anaty kitapom-bolan’ny isan-tokantrano na ankohonana Malagasy. Porofon’izany mbola marobe ireo very asa ary tsy nisy asa fa nanao izay hivelomana isan’andro fotsiny sisa, tsy nisy ny fitsanganana orinasa, ary niha- nitombo andro aman’alina ireo mahantra teny an-dalambe rehetra teny teto an-drenivohitra, sns… Ity olona nanapotika firenena sy ny vahoaka Malagasy toy izany no milaza indray ankehitriny ho mahita vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy, rehefa mody niseho nangina tsy niteny tao anaty fotoana lavalava.   Hanao resaka mampandry adrisa toy ny tamin’ny taona 2008 – 2009 indray ve mba hampitsonika ny fon’ny vahoaka ka hikasana hiverenana eo amin’ny fitondrana? Leson-dratsy no napetraky ny fitondrana tetezamita ary santionany no raisin’ny fitondrana Hvm amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fankahalana olona sy fanapotehana ny mpiray tanindrazana aminy ihany. Ny tsy fanekena ny hidinan’ny olona te-haneho hevitra an-dalàmbe na amin’ny toerana mba tiany hanaovana izany. Dia Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy indray ankehitriny no mitsikera sy manakiana mafy izany. “IKotozafy ihany no Alexis”, araka ny fitenenana ihany izany rehetra izany. Raha tsorina ny resaka, ny nanapotika firenena indray no miseho ankehitriny handratra an’i Madagasikara. Tokony handoa onitra amin’ny firenena nosimbaina aloha, izay no tokony hambara voalohany, fa sao dia fikendrena hanandratra olombitsy hafa indray ity resaka voizina tato ho ato ity.

Sôh’son