Fitrandrahana tsy ara-dalàna ny faritra arovana manakaiky an’Isalo

Fitrandrahana tsy ara-dalàna ny faritra arovana manakaiky an’Isalo tao bekaraoka fonkotany Bepeha eto Ilakaka. Efa ho 3 taona aty aoriana tsy nisy ny « sanction pénale  » nahazo ireo mpitandro filaminana nandika lalàna, nefa nandalo fampanoavana fotsiny, tsy mba nalefa notsaraina. Ity farany izay nilaza fa efa nalefa any Antananarivo ny taratasy rehetra, kanefa ny fepotoana hiasany eto ihosy aza moa efa madiva hifarana, inona no antony ?

Manahy ny vahoaka eto Ilakaka sendra nisy vola be niodina ny tany ambadika tany ;dia ho sanatria tokoa ve ? Niakatra fampanaovana teto Ihosy ny 16 desambra 2014 ity afera maloto ka niiana nasitrika. Samy nilaza na ny lehiben’ny zandary na ny olona ambony eto amin’ny firenena fa aferangeza izy iny, ary nalaza ary eran-tany. Olona efa ho 20 mahery no nalefa amponja nohon’ny fitrandrahana tsy ara dalàna nitranga tao Bekaraoka.(Jereo ny vidéo porofo ato azfady). Olona notazomona nihoatra ny fepotoana tokony hitazomana azy ; lolikoly avo lenta nataon’ireto mpitandro filaminana.

Rehefa olona ambony sy mpitandro ny filaminana dia tadiavina ny fomba rehetra hiarovana azy, fa rehefa sivily na mpanao gazety dia atao toa ny jiolahy. Maro ireo fitoriana tsy niakatra fitsarana efa ho aman-taonany eto Ihosy. Karapanondro sandoka, fangalaran-tsonia (dossiers faux et usage de faux) tao amin’ny fokontany Manombo. Fitoriana mikasika ny fanapahana tsy ara-dalana ara-drariny ny herin’aratra mamatsy ny radio.Ireo vahoaka mitaraina laizana fa mpanongam-panjkana. Manasa anao hijery dossiers tao Ilakaka izay nezahina nampirimina ity azafady.Jereo dia aparitao farak’izay tratra…Misaotra sahady amin’ny fiara-miasa

 

 

1 Commentaire

  1. Mba nitory ve ny MNP tamin’itony raharaha itony sa dia mitazana araka ny mahazatra? = aoka mihitsy tsy hisy ny fifanafintohinana eo amin’ny samy isika!