Fampianarana : Nanao ganagana misasa loha ny sekoly miahy tena

Amin’ny ankapobeny, vitsy amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana na miahy tena no nitsinjo ny ray aman-dreny amin’ny fandoavana ny saram-pianarana isam-bolana nanoloana ny fahatapahan’ny fampianarana iray volana noho ny valanaretina pesta. Saika ny ankamaroany dia tsy nanaiky fa nampandoa saram-pianarana avokoa, fa namboamboarina fotsiny ny filazana ny amin’ny hanatrarana ny iray volana tsy nianaran’ny mpianatra. Ho an’ny sasany, dia nambara fa ho tratra miandalana eny araka ny fandaminana atao eo anivon’ny sekoly ny fanenjehana ny programa tokony ho novitaina tamin’iny volana oktobra iny. Ny sasany, dia nilaza, fa ny antsasany amin’ny saram-pianarana no aloa, ary izay aloha mba misy fitsinjovana kely ihany ny ray aman-dreny. Toa tsy nandrenesana mihitsy sekoly nilaza, fa tsy aloa ny saram-pianarana tsy nianarana teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Izany hoe, samy nanao izay saim-pantany toy ny ganagana misasa loha ireo sekoly miahy tena. Tsy hita firy izay mba fitsinjovana ny ray aman-dreny manoloana ny olana lehibe ara-pahasalamana tsy fahita hatramin’izay teto amin’ny firenena. Eny, efa nisy ny valanaretina namely teto amin’ny firenena tany amin’ny andron’ny Repoblika faharoa, ohatra, kanefa tsy sarotra sy tena manahirana toy ity valanareitna pesta ity izay miely eny amin’ny rivotra ary tsy hita maso, “peste pulmonaire” io.  Ny fanjakana koa tetsy ankilan’izay, tsy manana fepetra sy fomba fiasa hentitra hifehezana ny raharaha. Iaraha-mahita tsara izao, fa misy sekoly mampiasa fitaovana fitsapana hafanana sy fepetra raisina mialoha ny idiran’ny mpianatra ao an-dakilasy, nefa misy ihany koa ny hafa manao toy ny fanaony hatramin’izay ihany, izay tsy nisian’ny valanaretina. Tsy mitovy araka izany ny fikarakarana ny mpianatra ary maneho indrindra izany ny sary na tranga misy eto amin’ny firenena amin’ny tsy fitovian’ny olom-pirenena manoloana ny fitsinjovana ara-pahasalamana na ny lafiny ara-tsosialy. Inona indray no hitranga vokatr’izay any aoriana, dia avy eo indray mamaha olana ny fitondrana, fa tsy dieny izao dia mamaritra fomba fiasa sy programa mazava sy am-pahendrena. Sa efa miketrika indray politika “maloto” mampifandray izany amin’izay hihazonana fitondrana amin’ny taona 2018? Ny vahoaka anefa efa manana ny heviny mazava momba izany na dia hisy aza ny fiezahana hanasa ati-doha sy resaka mampandry adrisa…

 

Sôh’son

 

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *