HO AN’INGAHY FILOHAN’NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA

Fa nahoana no tsy sahy, nahoana no niamboho adidy
Nefa manana traikefa sady olona voafidy?
Azo sainina va re hoe tsisy ny fahavononana,
Sa nahery be ny tsindry sy karazam-pandrahonana?

Fony isika teny Ankatso, saino kely, tadidio
Fa ny olon’ny « kamiviombio » dia tsy mba tia mikiliolio.
Sa nandalo foana ihany ny anatranatra toy ireny,
Tsy mba zavatra niainana fa napetraka ho teny?

Ianao tsy « tongatonga ho azy », anananao raha ny traikefa,
Sady inoana, tsy entim-poana ilay anarana « Mahefa ».
Ka nahoana no nilentika, tsy niseho mba hojerena,
Ianao tao amin’ny « fitantanana ary koa ny toe-karena »?

…Fa nahoana no tsy sahy, nahoana no niamboho adidy
Nefa dia nomena andraikitra lehibe sy sarobidy?
Mitenena ianao sakaiza, ambarao anay ny marina,
F’aza asian-kifonofono na koa lainga namboamboarina!

KELY (tao @ lalàm-piofanana ekonomia 1979-1984)