Vondron’ny kandidà 11 teny Itaosy – Na inon-kidona, na inon-kihàtra, mitohy hatrany ny hetsika

Niaina

Nitohy teny Itaosy Antananarivo Atsimondrano indray, ny hetsika am-pilaminana nataon’ny vondron’ireo kandidà miisa 11 omaly. Maro dia maro tokoa ireo mpanara-dia azy ireo nandritra izany. Na nisy aza ny naratra ny sabotsy teo, toy ny kandidà filoha Marc Ravalomanana, tonga nanatevina ny hetsika ny tenany.

Nisongadina nandritra izany, fa na inon-kidona, na inon-kihàtra, mitohy hatrany ny hetsika ataon’izy ireo mandra-pivalin’ny fitakiana: dia ny tsy famelana ny kandidà Vazaha Andry Rajoelina hirotsaka, ny fitakiana ny fifidianana madio sy mangarahara ka hovana ny HCC sy ny CENI, havoaka ireo olona voasambotra noho ny hetsika am-pilaminana toa ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, sy ny hafa,…

Nanambara ihany koa ireo mpitarika nandritra izany fa: “miantso antsika MALAGASY REHETRA izahay COLLECTIF DES CANDIDATS, fa mitohy ny tolona ho fampanjakàna ny tany tan-dalàna, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soatoavina maha MALAGASY dia ny FIRAISANKINA. SAHIA-MIJOROA, hombantsika mandrakariva anie Andriamanitra.”

Tao aorian’ny teny Itaosy-Unis, nihaona tamin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo ireo kandidà. Nanatitra ny kandidà Andry Raobelina lasa any an-dafy avy eo, lasa nanohy fitsaboana any ivelany ny kandidà Raobelina Andry, tohin’ilay ratra nahazo azy teo amin’ny masony izay lasa lalindalina. Nanamafy tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izy ireo ny hariva, fa mitohy ny tolona.