ANTSO AVY ANY AM-PASANA

(ataon’ny MDRM na MADERAMENA)

Nankaiza ireo dimbin’ny maderamena
Fa latsaka an-davaka ny firenena.
Tsy nisy va re ny fanilo niampita,
Kanefa ny tolona mbola tsy vita?

Ny ra izay nararaka, moa very maina
Fa tsy arak’ireo izay mba hoe nantenaina ?
Ka mbola vazaha sy ny saribakoliny
No indro manohy irony asan-devoliny?

Teny filamatra re teto an-dasy
Ny hoe « Gasikara dia an’ny gasy »,
Kanefa nahoana indray ankehitriny
No averina hogiazan’iretsy vahiny?

…Mpitondra sy ny jiolahy no tafaraka.
Vola maloto no miraradraraka.
Angamba any am-pasana, indreo mbola tazana
Ho tena misento ireo tia tanindrazana!

Ka miantsoantso hoe andao mivoaha
Fa tsy ekena ary tohero ny filoha vazaha!

TSIMIMALO (08-10-23)