RY MPANAO GAZETY

Enjehina indray ve ny mpanao gazety
Satria manakiana ny zava-tsy mety?
Marary ny fonao mitoetra eny ambony
Rehefa lazainy fa « tsy avotra intsony »?

Ny marina ihany no hita mazàna
Ho tena tsy zakanareo fanjakana,
Ka mpanao gazety no tsy ahaiza-miaina
Fa tena hazaina sy sotasotaina?

Ny mpanao gazety kanefa fantaro
Fa miaraka miaina amin’ny besinimaro,
Ka izy no afaka hitondra ny teny
Sy ‘zay maharary ireny olona ireny!

Enjehina indray ve ny mpanao gazety
Fa mietry ny lazanao mpanao makety?
Ny faminaniany ity sambo ho rendrika
Dia mbola lainga ary koa endrikendrika?

…Ry mpanao gazety, miasà, mahereza
F’ianao tsy sokajin’ny mpitady seza.
Lazao re ny marina ka mitenena,
Dia hivoatra haingana ity firenena!

DADAN’i ZINA (08-10-23)