AOKA IANAO TSY HO VOAVIDY

Efa tena tsy misaina sy efa azon’ody angaha
No vary tapaky ny gony no ifidianana vazaha?
Sa maka tahaka ny akoho ka vao tsipazam-potsimbary
Dia indreny mihazakazaka toy ny faly alaina sary?

Zavatra mandalo ireny, mety ho mahavita volana,
Saingy ‘ndeha todiho ny lasa fa tsy nahavaha ny olana,
Fa vao mainka aza nilentika ao anaty fahantrana,
Ireo vahoaka maro an’isa nanantena fiovana!

Ka ny hafatra dia tsotra, sady adidy ny miteny,
Raiso fa adala tompo ireny rehetra rehetra ireny.
Saingy ianao dia olona afaka k’aza mety hoterena
Hifidy izay vazaha adala ho filoham-pirenena!

Gasy ianao ka mandiniha, dia saino kely, miataha
Raha vary tapaky ny gony no ifidianana vazaha!
Tena raiso izay omeny nefa aoka tsy ho voavidy,
Fa ianao dia olona afaka ka mahaiza misafidy!

IRINA HO TAFITA (07-10-23)