HIPOAKA TSY HO ELA NY SAROM-BILANY

Indroa niova hevitra Ingahy préfet
F’efa tena mipitsoka ny lakile.
Ho korontana ambony, korontana ambany,
Satria tena hipoaka ny sarom-bilany.

Bebaoty no ajoro mameno tanàna,
Ny hetsika anefa vao mainka mafana.
Efa hay vinaniana ny ho faran’izany:
Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany!

Vao mainka mangotraka ny raharaha
Fa mandeha ny antsoantso: « tsy mila vazaha ».
Efa mipararetra ny ngeza any ho any,
Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany!

Vahoaka efa romotra sy efa mifoha
No mandà sy tsy mila vazaha ho filoha,
Ka andrasana sisa izay ho fiafaràny,
Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany!

TSIMIMALO (07-10-23)