Gérard Andrialemirovason : « Raha hitanareo fa mety ny hitondran’ny vazaha an’i Madagasikara, dia ampidino io saina Malagasy io ary atsangano ny saina Frantsay »

Gérard Andrialemirovason

Ny Valosoa

Nandritra ny fandaharana Angaredona ny 5 oktobra 2023 dia nampita hafatra ho an’ny tafika i Gérard Andrialemirovason, izay tale jeneraly teo amin’ny fiadidiana ny repoblika tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Didier Ratsiraka:

« Miantso anareo tafika aho. Ianareo no « rempart de la République ». Raha Mifandona izahay manao politika, aza miditra amin’ny adinay ianareo fa manjary basy no miteny. Raha ny basy no miteny, mety hanahirana antsika Malagasy. Raha ity moa ka manaraka ny teniko ianareo, fa mba manomboka zokizokiny ihany aho izao, hoe tsy mety ny hitondrana vazaha ny tafika malagasy, anjaranareo ny mandray ny andraikitrareo. Raha mifandrafy izahay, anjaranareo tafika ny mandray ny andraikitrareo.

Raha hitanareo kosa fa mety ny hitondran’ny vazaha an’i Madagasikara, dia ampidino io saina Malagasy io ary atsangano ny saina Frantsay. »