Kara-pifidianana any amin’ny fokontany – Mbola maro ireo tsy fahatomombanana hita

Isambilo

Mbola maro amin’izao fotoana ireo tsy fahatomombanana hita amin’ireo kara-pifidianana tonga any amin’ny fokontany, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety. Efa tonga any amin’ny fokontany nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo iny ny karatry ny mpifidy. Nisy ny efa naharay ny karany ny mpifidin’ny fokontany rehetra manerana ny Nosy. Entanina ireo mbola tsy nahazo, ho tonga haka ny kara-pifidianana izay.

Maromaro anefa ny tranga miseho any amin’ny fokontany araka vaovao azo sy fitarainana voaray. Ao ireo efa nodimandry maherin’ny 05 taona lasa, izany hoe efa tsy mpifidy hatramin’ny fifidianana tamin’ny 2018 kanefa mbola anisan’ireo namoahan’ny CENI karatra.

Ao ihany koa ireo efa mpifidy ihany, fa tsy tafiditra tao anaty lisitra vonjimaika, ka nanao fanamarihana teny amin’ny fokontany dia tafiditra nialohan’ny lisitra ofisialy, kanefa tsy nahazo karatra izao.

Ankoatra ireo dia misy koa ny tranga fahadisoana anarana. Mpifidy maromaro no diso anarana ao amin’ny kara-pifidianana. Sahirana izy ireo, satria ny any anivon’ny fokontany tsy manana vahaolana ny amin’izany, fa ny mizara ny karatra ihany no voalaza fa ataony.

Misy ihany koa ireo karatry ny mpifidy tsy tonga any amin’ny tompony kanefa efa tsy any amin’ny CENI. Voalaza fa very noho ny tsy fandriampahalemana misy any amin’ny fokontany. Koa manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ireo manana olana ireo, hijery ny vahaolana momba izao resaka kara-pifidianana izao.