Filoha Ravalomanana tany Ampary sy Soavinandriana – Manàna finoana sy fanantenana fa tonga ilay fotoana

Isambilo

Tany Ampary sy Soavinandriana faritr’Itasy omaly, ny kandidà filoha Marc Ravalomanana N°05 amin’ny fifidianana filohampirenena ny 9 novambra ho avy izao. Toy ny fanaony dia nihaona sy nitafa nivantana tamin’ireo tantsaha eny ifotony ny filoha nasionalin’ny antoko TIM.

“Midina ifotony aho mijery ny zava-misy marina iainan’ny Malagasy andavanandro, indrindra indrindra ianareo tantsaha izay ianteheran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara noho ianareo ivon’ny famokarana,” hoy izy. Raha tsy mandroso ny tantsaha tsy handroso i Madagasikara, tsy vazaha no hahavita hampandroso ny tantsaha hoy ihany ny kandidà laharana faha-5. Noho izany, sahia hanarina, raiso ny andraikitra eo an-tananareo, ny dikany: tokony hahay hisafidy tsara. Manentana ny rehetra hifidy aho arak’izany hoy ny kandidà filoha Marc Ravalomanana. Manàna finoana sy fanantenana fa tonga ilay fotoana.

Ankoatra izany, tsy amelanay kandidà 11 ny fahamarinana raha tsy azo: hamboarina ny CENI sy ny HCC. Amin’ity herinandro ity dia ho hita eo ny mahakasika izany, satria hihaona amin’ny avy amin’ny Firenena Mikambana izahay 11 amin’ny alarobia, izany hoe rahampitso. Momba ny firaisankina amin’ny fifidianana io ihany, ny TIM no nanolotra ahy hoy izy, nefa tsy vitan’ny Tiako i Madagasikara irery izany, izay no tsy maintsy ampijoroana ny KMMR hidiran’ny olona rehetra hafa: ny mpitondra fivavahana, ny mpandraharaha, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana, ny olon-drehetra tsy ankanavaka,… izay antoka hitondra ho amin’ny fandresena.