EDITO 12 Septambra – Fanendrena an’i Ntsay ho Filoha – Indroa mahita ny maizina ny vahoaka

Sôh’son

Tsy tafavoaka ary tsy afa-miàla amin’ny haizin-kitroka iainany tato anatin’ny 5 taona ny firenena malagasy. Maneho izany indrindra ny fanendrena ny Praiministra Ntsay Christian miaraka amin’ireo mpikamban’ny governemanta hitondra ny firenena mandritra izao tsy fisian’ny filoham-pirenena izao, noho i Andry Rajoelina nirotsaka ho kandidà ny Alarobia 6 Septambra lasa teo. Vao nandre izany fepetra noraisina izany ny olom-pirenena maro, dia nihivingivina. Fantatra loatra mantsy ny momba ny Praiminisitra sy ny asa nataony hatramin’ny taona 2018. Nampijotso, fa tsy nampandroso sy tsy nampisandratra ny firenena ny asa nataony hatramin’ny naha tao amin’ny Primatiora azy izay. Teo koa ny fanarahana ambokony ny baikon’i Andry Rajoelina na dia tsy namaly ny laharam-pahamehana nandrasan’ny vahoaka mafy aza, hany ka nihitsoka amin’izao toerany izao ny firenena.

Tsy misy tombontsoa ho an’ny sarambabem-bahoaka malagasy na i Andry Rajoelina na i Ntsay Christian sy ny mpikamban’ny governemanta entiny. Mitovy ihany ireo ka tsy misy antenaina amin’izy ireo. Izany hoe hitohy hatrany ny fahoriana sy fahantram-bahoaka hatramin’ny faran’ny taona raha tsy hijery lavitra aloha isika fa hatreo. Iaraha-mahalala tsara fa tsy nahavaha ny fahantram-bahoaka sy ny olam-bahoaka izy ireo tao anatin’ny 5 taona, ary vao mainka aza niha-maizin-kitroka ny fiainam-bahoaka maro an’isa ankoatra ny an’ireo olom-bitsy miara-dia sy manohana an’i Andry Rajoelina. Ireto farany izay nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy migalabona amin’ny harembe, hany ka minia mikimpy mihitsy manoloana izay fahoriam-bahoaka izay. Ataon’izy ireo avokoa ny fiarovana izay azony atao rehetra an’i Andry Rajoelina, ka na efa manosihosy ny fahamarinana aza sy manilika ny maha tany tan-dalàna ny firenena dia izorana ihany. Tsy olana ho azy ireo na ho tandindomin-doza aza ny hoavin’ity firenena ity, fa ny hany ao an-dohan’izy mianakavy dia ny hiaro tombontsoa be nigohana hatramin’izay.

Ny zava-misy izany izao, dia indroa mahita ny maizina ny vahoaka malagasy. Tsy hahita andro mihiratra, ary izany dia mbola ilofosan’izy ireo mafy hatrany hiainan’ny vahoaka malagasy. Izany dia iarahany manao kajy amin’ireo rafitra toy ny Ceni sy ny Hcc. Tsy maintsy misy fetrany anefa ny atao n’inona n’inona kasain’izy ireo hotanterahina eto, satria masina ity firenena ity.