Hoy ny Rômana taloha : « sambatra ny mpitondra manana vahoaka bado »

Raha misy angamba ny mpitondra tena sambatra dia ireto Rajaonarimampianina sy ny forongony ireto satria na inona na inona adalàna ataony dia jeren’ny vahoaka fotsiny fa ato anaty Facebook na eny anivon’ny fiarahamonina eny sisa no mitabataba, mitsikera, na mitaraina amin’ny havendranan’ireto HVM. Sambatra ny mpitondra manana vahoaka bado hoy ny Rômana taloha ary izany mihintsy zao no misy eto amintsika amin’izao fotoana. Marihana fa ny tian’ny Rômana ambara eto tsy voatery hoe tena bado na dondrona ara-bakiteny fa ny hoe vahoaka mamela ny mpitondra ao aminy manao izay tiana na dia mahantra fahadiranovana aza. Tsy ho resahina intsony ny adalana rehetra nataon’ity fitondrana ity fa raisina ohatra fotsiny ny vaovao farany izay tena mahagaga hoe fa ahoana no tsy taitra ilay Malagasy. Efa mazava ankehitriny fa miketrika ny hanova ny lalam-panorenana ry Rajao sy ny forongony mialohan’ny fifidianana, ka ny tena tanjona dia ny mbola ahafahan’i Rajao mijanona eo amin’ny fahefana na mandeha aza ny fifidianana fa tsy voatery mametra-pialàna 60 andro mialoha, araka ny voalaza ao anatin’ny lalam-panorenana amin’izao fotoana. Izany no ataon’ny mpitondra kanefa dia tsy taitra ilay Malagasy fa manaiky fotsiny.

 

Hoy ny mpanoratra : Rivo Albert

 

L’image contient peut-être : 1 personne, costume

Poster le commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *