AMPY IZAY RY INGAHY FILOHA

Ivereno tadidiana ireo rehetra izay nambarany
Tao anaty dimy taona nitondrany firenena,
Dia ho tsapanao daholo fa hay lainga tsisy farany
Izay no hany nisongadina, niampy fandokafan-tena!

‘Ndeha jereo ny tetikasa, inona no mba nitsangana?
Aiza ilay « tanamasoandro » noventesiny an-kabary?
Ny hany tsapan’ny vahoaka : vidim-piainana midangana
Toy ny vary iray kapoaka lasa valonjato ariary!

Iretsy nosy manodidina izay haverina amin’ny gasy,
Hay dia tena rediredy namitahana vahoaka,
Fa ilay filoha nivadika ho vazaha an-taratasy,
Izay no tena zava-nisy nampandoa sy nampihoaka!

Iretsy lalana voalaza fa hamboarina sy harenina,
Aiza izao ankehitriny no tsy misy mbola miainga?
Mandiniha sy mihevera, saino tsara izay tenenina,
Hay tsy anarana entim-poana ilay anao ry Rainilainga!

Ny orinasam-panjakana, miharitra ny mahamay
Fa tena mitsipozipozy sy eo an-dalam-pialana aina,
Izao no mbola hotohizana amin’ny dimy taona indray?
Sanatria dia sanatria, meteza isika ho tonga saina!

TSIMIMALO (07-09-23)