TGV (Tsy Gasy fa Vazaha)

Hay Tsy Gasy fa Vazaha ity mikiry ny hibahana,
Na dia hita tsotr’izao fa tena rain’ny famitahana ?
Tamin’ny dimy taona lasa no voafitakao ‘zahay,
F’izao dia lavinay tanteraka ny olon’ny frantsay!

Tsy misy intsony ny lalàna mbola ezahina amboamboarina
Hiarovana ny ratsy sy izay olona tsy marina.
Ampy izay ny fanjakana entin-jiolahy mpandroba,
Fa ny haren’ny firenena dia tsy ataonay varo-boba!

Ampy izay ny kolikoly izay fanaonareo vaventy,
Nosaronan-daingalainga na koa lokobe mirenty.
Tsy ho voafitaka intsony ireto gasy tonga saina,
Fa veloma Rainilainga, tena gasy no ilaina!

‘Ndeha mitodika amin’ny tany nofinidinao ho ambony,
Fa ny gasy tena gasy dia tsy mila anao intsony.
Any indray ianao miketrika fanonganam-panjakana,
Raha mihevitra ho mahery sy ambonin’ny lalàna!

TSIMIMALO (05-09-23)