EDITO 5 Septambra – Midangana ny vidim-piainana – Tsy ampy ny atokan’ny olona amin’ny fampianaran-janaka

Beharo

Nanomboka omaly tokoa ny taom-pianarana 2023-2024 eto amintsika, izay nambaran’ireo ray aman-dreny manan-janaka mianatra eny amin’ny fanabeazana fototra, fa tena sarotra tokoa noho ireo vidim-pitaovana fampiasa izay nisondro-bidy avokoa tamin’ny ankapobeny.

Ho an’ireo izay manan-janaka mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana EPP, CEG, dia nitsotra fa tsy takatra ary tsy nampoizina ny totalim-bidin’ny vola lany amin’ny ankizy iray, satria efa nandoavana saram-pisoratana anarana 5alina Ar hoy ry zareo avy eny Avaradrano eny, Sab-Nam, Anosy avaratra, Ilafy sy ny manodidina iny, ny volana jolay sy aogositra, ary tsy maintsy nividianana ireo fitaovam-pianarana ihany koa tamin’izao fiandohany izao, nefa dia midangana avokoa raha oharina amin’ny karama raisin’ny ray aman-dreny isam-bolana. Ny kitapo sy ny sakaosy, no olana voalohany indrindra amin’izany, raha ny fitaovana no asian-teny, izay nambaran’izy ireo fa tsy latsaky ny 15000 Ar ny kitapo tsotra, ary manodidina ny 30000 Ar ny sakaosy vao mahazo, manampy trotraka izany ny kahie sy boky ary ireo fitaovam-panoratana sy ny fitafiana iraisana na aron’akanjo (tablier) izany, izay vidiana na zairina manokana mitovy amin’izay takian’ny tale sy ny sekoly manontolo, izay mitotaly hatramin’ny 9alina ariary eo ho eo, ka raha atambatra amin’ilay saram-pisoratana tery aloha, dia efa mahatratra 140000 Ar. ho an’ny zanaka iray.

Hita mazava araka izany, fa raha zanaka roa fotsiny ihany no mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana dia tsy misy dikany akory ny karaman’ny ray aman-dreny, nefa mbola ialan’ny hofantrano sy sakafo, manampy trotraka ny jiro sy rano, ary diniho tsara ihany koa fa raha mianatra amin’ny sekoly tsy miankina na sekolim-pinoana ny zanaka, dia jereo araka izany ny lany rehetra amin’izao fitondrana manahirana izao, hoy ny loham-pianakaviana vitsivitsy nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny Ny Valosoa. Midangana hoy ry zareo ny vidim-piainana, sady vao avy nilamina tamin’ny fialan-tsasatra lavalava teo iny, no nahazo fahafinaretana 10 andro tamin’ny Lalaon’ny Nosy isika, no tonga dia ianjadian’ny volam-pampianarana toy izao, ka sarotra tanteraka raha tsy ahitana vaha-olana malaky amin’ny mpitondra na izay handimby azy eo, mba tsy hanimba ny ho avin’ny ferenena, ka tokony hasiam-piheverana hatramin’ny saran-dalana sy ny vidin-tsakafo mihitsy aza hoy ihany ny maro.

Raha ny mpitondra amin’izao fotoana aloha dia tsy poinsa intsony hoy ny fitenin’ny tanora izay, satria nampijaly vahoaka ny fitondrana Rajoelina nandritra izay 5 taona izay: vidim-piainana tsy voafehy, nitombo ny tsy an’asa, miseho lany tsy voafehy koa amin’ny ankapobeny ny tsy fandriampahalemana izay tena mampahory ny maro tokoa, tsy any ambanivohitra ihany, fa indrindra indrindra amin’ny faritry ny renivohitra. Ny delestazin’ny jiro sy ny fijaliana amin’ny rano manginy fotsiny. Mila mpitondra vaovao manana traikefa izany, ny filoha Marc Ravaloamana no efa hita ny zava-bita, sy ny fahafehezany ny fitondrana, nandritra ny 7 taona naha-filoha azy izay, ka anisan’ny handrian’ny fon’ny maro izy hanavotra ny vahoaka sy ny firenena.