Lalana Andramasina, Ambohimiada, Alatsinainy Bakaro – Terena handoa vola 50.000 Ar isaky ny fiara ireo mpitatitra

Aly

Velon-taraina ireo mpitatitra any amin’ny distrikan’Andramasina faritra Analamanga amin’izao fotoana, fa terena handoa vola hanamboaran-dalana izy ireo. Ny zava-misy anefa, efa nambaran’ny governoran’ny faritra Hery Rasoamaromaka, fa izy no manao ny lalana Andramasina, mankany Ambohimiadana, sy Alatsinainy Bakaro. Ka gaga ny mpitatitra noho izany, fa teren’ny filohana kaoperativa sasany handoa vola 50.000 Ar isaka fiara ny mpitatitra any an-toerana.

Araka ny fanambarana nataon’ireo mpitatitra ireo: “sao dia mba tsy rariny. Maninona raha hajanona rehefa tsy vita, fa tsy ny taxi- brousse no terena hanome vola. Raha lalana hateza moa ka haninona, fa mbola mety ho ratsy nohon’ny teo aloha io amin’ny fahavaratra, raha hoe io no atao amin’izao. Sao dia ianareo mitaky vola ireo no hamaharan’ny olona raha tonga ny fahavaratra, ka misy ny faharatsian-dalana ka hoe andao hanambatra vola hanamboaran-dalana, na hoe hanambotra lalana ho an’ny taxi- brousse, sns… sanatriavina izany, sa faly ny hitango volambahoaka fotsiny fa tsy mandinika ny mety ho tohiny?

Tandremo fa betsaka no manaraka akaiky fa tsy avelanay ho verivery fotsiny ny vola terenareo anaovanareo antsojay amin’ireo taxi-brousse ireo a! Ary rehefa maka vola ianareo dia asio reçu mba ho archives, fa ny vahoaka no manao ny lalana fa fanampiana ny an’ny fanjakana, aiza izany ny tamberimbidin’ireo hetra aloa, patanty,… ireny, no lalana io dia anerenareo taxi-brousse? angaha tsy voadinika mialoha vao nanomboka? na tsy nanambara hoe governora no manao ny lalana fa natao ny vahoakan’ny distrika. Dia manana adidy ny rehetra amin’izay.”