Tena mpifanandrina politika ny TIM sy ny HVM

Mirona any amin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 avokoa ny hetsika rehetra ataon’ny sokajin’olona isan-karazany eto Madagasikara ary efa manambara ny firotsahany ny sasantsasany amin’ny politisiana sy mpitarika antoko politika. Misy koa anefa ireo mbola tsy manambara ny firotsahany fa ny hetsika ataony anefa dia efa hita taratra fa mizotra amin’izany. Tsara ampahatsiahivina ihany koa anefa ny fizotry ny fifidianana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1958  nametrahana ny sata repoblikana izay. Amin’ny ankapobeny dia tsy nisy fanoherana izay voka-pifidianana nandritra ny « République Malagache » (Repoblika I) sy Repoblika Demokratika Malagasy (Repoblika II) ary ny Repoblikan’i Madagasikara (Repoblika III-1 sy 2). Ny fifidianana tamin’ny taona 2001 vao nisy ny tsy faneken’ny vahoaka ny voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana. Tsy ara-dalàna aloha ny toerana nanaovan’izany fitsarana izany ny fanambarana ny vokatra satria tany Mantasoa izy no nanatanteraka izany kanefa ny foibeny teto Antananarivo. Niaraha-niaina fa niaro ny safidiny ny mpifidy fa tsy nanongam-panjakana velively ka rehefa natao ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra ny vokatra dia nandresy  Ravalomanana Marc ary izay no anton’ny nisian’ny fianihanana fanindroany ny volana Mey 2002. Ny taona 1976 sy 1991 ary 2010 no nisy ny fanovàna tanteraka ny Lalàm-panorenana arakarak’izay rivotra politika nitsoka sy firehen-kevitra nibahana maneran-tany. Momba ny lalàm-panorenena nanaovana fitsapankevi-bahoaka ny taona 2010 no tsy nanaram-penitra indrindra satria ny fitsipika mifehy ny fifidianana mihitsy no tsy matotra. Azo inoana fa ny fahatsapan’ny mpitondra amin’izao Repoblika IV izao no antony tsy hampiharan’izy ireo ara-bakiteny ny andininy vitsivitsy izay manohintohiny sy manozongozona ny fahefany ka anisan’izany ny fananganana ny Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice). Ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 ihany koa no nisy fanoherana ny voka-pifidianana ka nisian’ny fanambarana « hala-bato bevata » nataon’ny kandidà resy tamin’ny fihodinana faha-roa. Notronin’ny kandidà hafa i Jean Louis Robinson tamin’izany kanefa dia tsy misy tohiny izany fa mijanona ho misitery hatramin’izao. Ny zava-nisy hatramin’izay dia ny kandidàm-panjakana hatrany no lany ho eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena satria nisy foana ny tsindry sy faneriterena teo amin’ny rafitra isan’ambatonga nikirakira ny fifidianana. Iaraha-mahita amin’izao herintaona mahery kely mialohan’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika izao fa samy mihetsiketsika avokoa ny antoko politika sy mpitarika antoko politika amin’ny fanorenana ifotony sy fanitarana ny ambaindain’ny antokony. Tsy tara amin’izany koa ny ao amin’ny fitondrana satria na ny fanovàna ny mpikambana vitsivitsy amin’ny governemanta na ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanolorana fanampiana ho an’ireo niharam-boina noho ny loza ara-pifamoivoizana na nateraky ny haintrano dia efa taratry ny fanomanana izany avokoa.

Tsy azo lavina koa anefa fa ny fanatsikafonana ny fampihavanam-pirenena indray amin’izao fotoana izao dia tetika politika na entina hanilihana kandidà na fitaovana hampitahorana izay heverina fa kandidà afaka mifaninana tsara kanefa ho fandrihana amin’ny resaka famotsoran-keloka. Porofon’izany ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ity fa tsy maintsy mangataka izany famotsoran-keloka izany izay mahatsapa tena fa nanao heloka teto amin’ny firenena na teo amin’ny mpiray firenena. Araka ny lalàna koa, hono, fa ny heloka tafiditra tao anelanelan’ny 2002 ka hatramin’ny 2013 ka namoahan’ny fitsarana didy ihany no azo hangatahana izany famelan-keloka izany. Ary ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ihany no mitsara ny fahazoana izany na tsia. Mazava ho azy fa anisan’ny velam-pandrika hapetraka eo alohan-dRavalomanana Marc izany. Tsy azo hodian-tsy hita anefa fa fitsarana tsy mahefa sady didim-pitsarana nifono politika no navoakan’ny fitsarana tamin’izany fotoana izany. Na izany na tsy izany dia misy politisiana mivohy fa olon’ireo filoha nifandimby teto hatramin’izay ihany no mandrafitra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ka tsy misy azo antenaina  hivoahana amin’izao krizy politika izao ny vokatra hisongadina amin’izany. Raha fakafakaina anefa dia hitondra vokatsoa ny fifanoheran-kevitra sy ny fifanoheran’ny fomba fijery satria izay no lalàn’ny “dialectique”. Mivoaka ihany koa ny fomba fijery ny toe-draharaha politika misy ka manambara any amin’ny tambazotra aterineto fa efa endriky ny fiaraha-miasan-Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ny nanesorana ny minisitry ny raharaham-bahiny, Attalah Béatrice,  sy ny minisitry ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika IV, Rafidimanana Narson. Ity farany ity tokoa mantsy no tena namaky ady tamin-dRavalomanana Marc momba ny raharaha ady tany eny Andohatapenaka kanefa tsy izay ihany ny fifanolanana misy eo amin’ny governemanta  sy Ravalomanana Marc fa eo koa ny resaka MBS sy ny Orinasa Tiko. Araka izany dia na tiana na tsy tiana dia ho mpifanandrina hatrany izy sy ny filohan’ny Repoblika IV. Tsy avy amin’ny tombatombana no hahafahana milaza izay mety ho tanjona tian-ko tratrarina eo amin’ny toe-draharaha politika fa ny fahafantarana ny lafiny rehetra misy ka hatramin’izao dia tsy misy tranga hahafahana milaza ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’ny TIM sy ny HVM, tena mpifanandrina politika ny TIM sy ny HVM.

 

Andry Tsiavalona