MISY IHANY IREO VOATENDRY

Tena misy ireo voatendry no mijoro an-kitsim-po,
Fa te hamboatra ny tsy mety sy hanala ny efa lo.
Kanefa indrisy fa voasakana, vetivety dia voadaka,
Raha vao hoe tsy mifanaraka amin’ny sain’ny tompondaka!

Raha vao hoe akamakaman’izy ngeza no voakitika,
Dia miomàna ianao voatendry, tsy ho ela dia hipitika.
Tombontsoan’ny orinasa, tsy izay no lohalaharana,
Fa ny hamenoana paosy sy ny hanaovam-pangalarana!

Tombontsoanao vahoaka, izany aloha dia tena gisitra,
Fa izay ho an’ireo vaventy, izay no tena lohalisitra.
Isam-bolana dia misy fanovana hatrany hatrany,
Ny orinasam-panjakana no mazàna isian’izany!

E jereo ny jiramaty sy ny iray tena malaza
Izay mivoy ny retirety, indrindra koa ny volan-jaza.
Heno fa voadaka indray ilay olo-notendrena tao,
Fa hoe tsy mety tamin’ny bizin-dry tsy misy kalitao!

…Ka tsy hiarin-doha mihitsy ny orinasam-panjakana,
Raha izay mbola jiolahy no ho ao anaty fitondrana.
Mila fiovana maika ho hita taratra eto an-dasy,
Lavinay ny tanalahy: vazaha mikiry hifehy ny gasy!

IRINA HO TAFITA (25-06-23)