Randriamanga William Henri – Voatahiry ao amin’ny tantsaha ny fitiavana an-dRavalo sy ny TIM

Isambilo

Tao aorian’ny hetsiky ny Dis-TIM Manjakandriana tany Sambaina ny herinandro teo ary natrehan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, naneho ny heviny mahakasika izany ny filohan’ny Dis-TIM Manjakandriana, Randriamanga William Henri. Afa-po tamin’izany hetsika natao izany izy ireo, na nisy aza ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana ny filoha Ravalomanana niantsena tany Manjakandriana. Na teo aza ny ramatahora nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpifanandrina politika tamin’ny vahoaka, tonga ihany izy ireo na tsy araka ny nantenaina aza hoy ity mpitarika ny antoko TIM any Vakiniadiana sy Vakinimananara ity.

Ireny dia manapoforo, fa mbola manana ny tanjany ny antoko TIM any Manjakandriana hoy ity mpanao politika ity. Tamin’ireo kaominina 12 izay efa voatsidika, manamafy ny ankamaroan’ny mponina fa tsy miala amin’i Dada, tsy miala amin’ny filoha Marc Ravalomanana, mbola voatahiry ao amin’ireo tantsaha ny fitiavana ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny antoko TIM any Manjakandriana. Raha ny rafitry ny antoko, kaominina 4 sisa no tsy nahatafapetrahana Foko-TIM sy COM-TIM, hitohy any Ankazondandy izany tsy ho ela.

Manoloana ny krizy eto amin’ny firenena, sy ny krizy mahazo ny vahoaka amin’izao fotoana, tsy ampy ny mitaraina hoy Randriamanga William Henri, fa raiso ny andraikitra, ny fandraisana andraikitra dia ny fandehanana hifidy, ka mialoha izany dia tsy maintsy misoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana aloha. Azo lazaina ho mavitrika ny olona amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana hoy izy, any Manjakandriana tapany avaratra dia mahatratra 73% eo izany ankehitriny, ny any amin’ny tapany atsimo toy ny any amin’ny kaominina Alarobia dia mihoatra ny 100% aza izany, ka eo no tsy maintsy ilana ny fanaraha-maso hoy ihany ity mpanao politika ity.