Fitondrana Rajoelina – Sady tsy demokraty no mpanitsakitsaka ireo lalàna

Andry Tsiavalona

Miha-maizina tsy ifankahitana intsony ny hazavana misy, eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra na an-tsoratra na amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambazotran-tserasera; ny tsy fananana zo manao hetsika ho fanoherana ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny eo amin’ny sehatra rehetra; indrindra indrindra ihany koa ny fanakanana ny olompirenena mivezivezy eto amin’ny Fireneny. Araka izany dia ny mahavariana amin’ity fitondrana miseho ho demokraty sy mpanaja lalàna ity dia ny fampisehoany eo amin’ny ataony rehetra, fa sady tsy demokraty izy no mpanitsakitsaka lalàna eny hatramin’ny Lalàmpanorenena aza.

Tsy misy afaka mandà fa matoa eny am-ponja ny mpampananeno lakolosy sy ny mpanao gazety ary tompona orinasan-gazety dia midika fanapenam-bava ny sehatra fanaovan-gazety izany. Sakanana tsy mahazo mamory mpiray tanindrazana, amin’ny toerana izay tiany ny mpanao politika mpanohitra dia fanaovana mizana tsindrin’ila izany, satria ny mpiray làlana amin’ny mpitondra dia mahazo manao izany na aiza na aiza, ary amin’ny fotoana izay tiany. Eo koa ny fanaovana ampihimamba ny haino aman-jerim-pirenena, ka tsy misy olompirenena mahazo miteny ao.

Mampiteny ny moana ny fanakanana ny Filoha Ravalomanana Marc, tsy ivezivezy eto amin’ny Fireneny kanefa dia zom-pirenena iray ihany no zakainy dia ny Malagasy. Ambonin’izany, mizaka ny « statut » na sata maha filoham-pirenena azy izy, ka tsy rariny ny fanaovana izany aminy. Ny fialàna ilany ataon’ny herim-pamoretana dia ny fitenenana fa mamita iraka izy ireo, sady manatanteraka baiko toy ny miaramila avy atsy Afrika tamin’ny fanjanjahantany, ka tsy afaka manavaka ny baiko mifanaraka amin’ny lalàna sy manaja ny rariny sy ny hitsiny no tanterahiny. Milaza ireo tandapa fa izay lazain’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina amin’ny fomba ofisialy dia manankery toy ny lalàna, ka midika izany fa sady Fahefana Mpanatanteraka no Fahefana Mpanao Lalàna izany izy tenany. Tsara ho fantatra anefa, fa na any amin’ireo firenena misy Fanjakan’andriana aza dia tsy manana izany fahefana izany ny Mpanjaka.

Solombavambahoakan’i Madagasikara no isaloran’ny Parlemantera tsirairay, ka nahoana no ferana ho ao amin’ny Distrika nahalany azy ihany izy no afaka mamory vahoaka sy manao tatitra ary ferana ho izay lahadinika na lalàna nankatoavina tamin’ny fivoriana farany ihany no azo hanaovana tatitra. Midika izany fa efa « fahefana » manokana afaka mamoaka lalàna toy ny Parlemanta izany ny Minisiteran’ny Atitany eto amin’ity Firenena mahantra olona manam-pahendrena ity. Ireo tranga ireo dia tsy voarakitra amina andinin-dalàna fa « fanambarana » navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, ka tsy mahafantatra ny antana-tohatry ny fifampifehezana eto amin’ny Firenena izany ny mpitantana ity Departemanta ity. Ny mampatahotra ihany koa dia ny tsy fanajana ny fisaraham-pahefana, ka sahirana ny olompirenena satria tsy fantany intsony iza no manao inona, ary mifangaro sy mifanitsaka ny andraikitry ny andrim-panjakana isan-tokony. Manaporofo izany dia toa tsy fantatry ny filohan’ny Repoblika izay tena andraikiny, sy asa mifanandrify amin’ny toerana misy azy, satria sady filohan’ny Repoblika izy no filohan’ny Antenimierampirenena. Manararaotra ny maha filohan’ny CSM (Conseil Supérieur de la Magitrature) izy ka tsy mahafantatra, fa fahefana roa mahaleotena ny Fitsarana sy ny Mpanatanteraka, kanefa izy sahy manome baiko ny mpitsara rehetra isan’ambaratonga amin’ny didy izay tokony havoakany. Hatramin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) aza dia mamoaka didy miendrika fanambarana politika kanefa ity andrim-panjakana ity no mpiaro sy sarotiny amin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana.

Araka izany raha ireo tranga ireo no hadihadiana dia ny Lalàmpanorenana mihitsy no tsy hajain’ny mpitondra isan’ambaratonga, ka tokony hamolavola Lalàmpanorenana hanome vahana ny « fanjakan’ny baroa » izao fitondrana izao. Samy manana ny demokrasiany ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny Firenena. Samy manao izay saim-patany ny manam-pahefana tsirairay, ka tsy mifampatoky intsony. Marary ny Firenena, efa mihohoka amin’ny tany ny Malagasy, ka azo tambatambazana amin’ny patsa indray mahandro, mamoritra ny vahoaka ireo milaza tena ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Na izany na tsy izany, malemy ny mpitondra miantehitra amin’ny basy ama-tafondro satria “izay be no basy”, hoy ny fahendrena Malagasy.