Ministra Tokely Justin – Nahazo teha-maina tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena

Niaina

Mahakasika ilay tsy fahazoana mamory olona ankalamanjana navoakan’ny ministry ny atitany: Tokely Justin, azo lazaina fa felaka teha-maina no nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy, satria tsy manaja ny lalàna iraisam-pirenena izany, tsy manaja ny zon’olombelona, eny tsy manaja ny lalampanorenana misy koa. Namoaka fanambarana iraisana ny Vondrona iraisam-pirenena, manoloana ny fanapahankevitry ny governemanta, izay mandrara ny famoriam-bahoaka ankalamanjana, araka ny nitondran’ny ministry ny atitany, Tokely Justin, azy ny zoma 31 martsa lasa teo ireny.

Naneho ny ahiahiny ireo masoivoho vahiny avy amin’ny firenena manan-katao monina sy miasa eto amintsika, izay nanao sonia ity fanambarana ity, sao hitarika korontana eto Madagasikara, amin’izao ankatoky ny fanomanana ny fifidianana ho avy, ity fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta, tamin’alalan’ny ministeran’ny atitany ity.

Anisan’ireo nanisy ny sonia ny Delegasionan’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara sy ny Union of Comores; ny Masoivohon’i Alemaina eto Antananarivo; ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara, ny Masoivohon’i Japon eto Madagascar; ny masoivoho Britanika (UK in Madagascar); ny Masoivohon’i Suisse eto Madagasikara; ny Biraon’ny masoivohon’ny Fanjakan’i Norvezy eto Madagasikara; ary ny Masoivohon’i Etazonia.

Manantena sy miandrandra ny fifidianana madio, mangarahara, marina, eken’ny rehetra ao anaty fitoniana ny Vondrona iraisam-pirenena, arak’io fanambarana iombonana nataon’izy ireo io. Mahakasika ity raharaha ity, efa tezitra sy nanakiana mafy ity ministry ny atitany ity, sy ny governemanta koa, ny filoha nasionalin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana.