Filoha Ravalomanana – Miombom-po amin’ny mpanao gazetin’ny La Gazette de la Grande Ile

Isambilo

Nandritra ny fihaonana fifampiarahabana tratry ny taonan’ny Tiako i Madagasikara, na ny TIM Manjakandriana ny alatsinainy teo tany Sambaina, nasian’ny filoha Marc Ravalomanana teny ny momba ny resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Miombom-po amin’ny mpanao gazetin’ny La Gazette de la Grande Ile aho, hoy ny filoha Ravalomanana.

Tsy rariny ny fanakatonana ity gazety ity, sy ny karazan’ny fandrobana ny fitaovany nataon’ny mpitandro filaminana hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Manohana ny hetsika ataon’ny federasionan’ny fikambanan’ny mpanao gazety: FAJM koa izy, mitaky ny hanokafana indray ity gazety ity, satria raha tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety ny raharaha Lola Rasoamaharo, tokony tsy ho norobaina ny fitaovana nampiasan’ny mpanao gazety sy ity gazety ity.

Noho ity raharaha ity misy ambadika politika, mpanao gazety maro no lasa tsy an’asa, ka tsy azo ekena izany hoy ny filoha Marc Ravalomanana, fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona ihany koa, amin’ny tsy nijerena ny zon’ireo mpanao gazety.