UE, Allemagne, Etats-Unis, France, Japon, Royaume-Uni, Suisse, Norvège – Mandiso ny fanambarana nataon’ny ministry ny atitany Justin Tokely

Ny Valosoa

Eo anatrehan’ny fanambarana navoakan’ny ministry ny atitany Justin Tokely, izay mametra ny hetsika sy fanentanana politka amina toerana mihidy, dia haingana ny fandraisan’andraikitra nataon’ny solontenan’ny vondrona eoraopeana sy ny masoivohon’ireo firenena miombonantoka amin’i Madagasikara – Allemagne, Etats-Unis, France, Japon, Royaume-uni, Suisse, Norvège, izay namoaka fanambarana iraisana.

Izy vahiny indray no mampatsiahy an’ity fitondrana Rajoelina ity, izay misary adala, fa ny Lalampanorenana Malagasy dia manome halalana ny olompirenena rehetra haneho hevitra ara-politika malalaka.

Nampatsiahiviny fa i Madagasikara dia isan’ireo firenena nanao sonia fanekena iraisampirenena mikasika ny zo sivily sy politika – Pacte International relatif aux Droits Civils et Politiques (PIDCP) – tamin’ny taona 1971. Ny andininy faha-21 dia manery ny firenena hanome zo hamory olona am-pilaminana ho fampiroboroboana ny zo sivily sy politika – ohatra, ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy.

Nampatsiahiviny ihany koa fa tsy mifanentana amin’ny valan-dresaka nifanaovana ny faha-24 martsa tao Alarobia (Novotel) izao fanambarana nataon’ny ministry ny atitany izao. Kanefa samy nandrenesana fahavononana hiatrika fifidianana milamina, madio sy mangarahara avy tamin’ny HCC, ny CENI sy ny governemanta, teo anatrehan’ny ireo ray aman-drenim-piangonana (FFKM), ireo masoivoho sy mpiara-miombonantoka, ireo antoko politika maro, fikambanana sy firaisamonimpirenena.

Manahy izy ireo fa io fanambarana avy amin’ny ministry ny atitany io, izay mametra ny hetsika sy fanentanana ara-politika dia hiteraka savorovoro amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Manantena izy ireo na izany aza fa fifidianana mangarahara, eken’ny rehetra, malalaka ary milamina no ho tanterahina amin’ity taona ity.