Mpomba an-dRavalomanana Toliara – Namelona ala honko tany Ankilibe Saint- Augustin

Isambilo

Ho fanamafisana ny firaisankinan’ny mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana any Toliara, nanantanteraka hetsika fambolen-kazo, famelomana ny “ala honko ” tany Ankilibe, Kaominin’i Saint-Augustin, distrikan’i Toliara faharoa, faritra Atsimo Andrefana ny sabotsy teo ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana rehetra any Toliara. Tonga nifamotoana nanantanteraka ity hetsika ity avokoa ny avy amin’ny Antoko TIM Toliara, ny KMMR Toliara (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana), ary ny PPMR Toliara (Pro Président Marc Ravalomanana), ka hafaliana tsy nisy ohatr’izany no nanatontosàna ity fambolena ala honko aman’arivony mahery fototra ity. Satria toerana amoron-dranomasina rahateo i Toliara sady tanàna anisan’ny mivelona amin’ny jono koa rariny raha fanamarihana ny maha zava-dehibe ny ALA HONKO, no nosafidian’ny mpikatroka rehetra nanamarihana ity hetsika firaisankina ity.

Nisy ihany koa ny toromarika nifampizaràn’ireo mpitarika nandritra izany, izay mifono teny fifankatiavana sy firaisankina amin’ny maha samy mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana, ka samy resy lahatra avokoa ny rehetra, fa ny miasa miaraka ihany no lakilen’ny zavatra rehetra izay hatao.

Nandefa solontena ihany koa ny avy ao amin’ny Antoko HVM Toliara, izay nasaina manokana amin’ny maha samy mivondrana ao amin’ny RMDM ny roa tonta. Tokana ny tanjona hoy ireo mpikarakara notarihan’ny kolonely Rabe Jules sy Me Helisoa dia i Madagasikara mandroso, firenena vanona.