Anosivavaka, Ankazomanga – Taom-pandresena ho an’ny TIM ny 2023 hoy ny depiote Todisoa

Niaina

Mijery ny mponina amin’ny toerana nahavoafidy azy hatrany ny depiote Todisoa Andriamampandry. Feno dia feno ny fotoanany ny sabotsy teo tao amin’ny Boriboritany faha-6 nahavoafidy azy. Ny maraina izy tamin’io fotoana io dia nanome voninahitra ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra nataon’ny Foko-TIM Anosivavaka.

Nanolotra fanampiana ho azy ireo ity olom-boafidy ity nandritra izany, nanentana koa izy ny rehetra vory tao, hitarika ireo olona mbola tsy voasoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana, hanatanteraka izany any amin’ny fokontany misy azy. Rehefa miara-mientana sy miray hina isika, ho taom-pandresena ho an’ny TIM sy ny filoha Marc Ravalomanana ity taona 2023 ity hoy ihany izy. Ny tolakandro, teny Ankazomanga ny depiote Todisoa, mitohy hatrany ny asa sosialy ataony, ka ny fokontany ANKAZOMANGA indray, no nisitraka izany.

Nanome fiofanana maimaimpoana sy fanomezana fitaovana maimam-poana amin’ny fanaovana savony ny tenany, entina anampiana ireo fokonolana amin’ny asa andavanandro, mba ho fanampiana ny fiharian’izy ireo koa amin’izao fiainana sarotra izao. Nitarika ny fiofanana kosa ny filohan’ny Tanora TIM Ambohimanarina, Lalaina Rabezanahary.