Prefet an’i Toamasina – Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny asam-pitsarana hoy ny SMM

Nangonin’Isambilo

FANATANTERAHANA DIDIM-PITSARANA RAIKITRA ANATY TAOM-PIFIDIANANA

Manoloana ny fanapahana ara-panjakana noraisin’Andriamatoa Préfet-an’i Toamasina tamin’ny faha-09 martsa 2023 lasa teo, taratasy nalefa tamin’ireo Vadin-tany miasa ao Toamasina,
Ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao:

-Ny fanapahana izay noraisina, na dia ny vadin-tany aza no hiantefan’izany, dia manohintohina feno ny asam-pitsarana satria mitondra sakana amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana raikitra. Tsy misy maha-fitsarana ny fitsarana raha toa ka tsy misy ny‚ fanatanterahana didim-pitsarana ;
-Homban’ny SMM manana ny resaka fitandroana ny filaminam-bahoaka indrindra anatin’izao‚ taonam-pifidianana izao, fa tsy ekena kosa ny fanitsakitsahina ny fenitry ny tany tan-dalàna‚ sahala amin’izao fandraisana fanapahana izao ;
-Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny andraikitra sy asam-pitsarana ny solon-tenam-panjakana ao Toamasina, satria izany fantanterahana didim-pitsarana fandroahana izany dia‚ mbola tandrifin’andraikitry ny fitsarana feno, eo am-pelatanan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ;
-Ny fanatanterahana an’io fanapahana izay noraisin’ny Préfet-n’i Toamasina io dia toa midika‚ fanomezana vahana ho an’ireo olona izay sady efa tsy manan-jo, no tsy manana titre amina tany, ho an’ireo mpamahatra amin’ny tanin’olona manana taratasy ara-dalàna, ary‚ indrindra indrindra fa fanaovana tsinontsinona ny fotoana lanin’ireo manan-draharaha manoloana ny fitsarana izany. Marihina anefa fa ny Fanjakana dia nanamafy ny ady atao amin’ireo mpangala-tany eto Madagasikara nandritra ny COLLOQUE NATIONAL FONCIER tamin’ny volana jona 2022.

Koa araka izany : Takian’ny SMM tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro ny hisintonan’Andriamatoa Préfet-n’i Toamasina ny fanapahana noraisiny taorian’ny fivorian’ny OMC, izay tsy natrehin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM): Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA.