Fanadiovana teny Isotry sy ny manodidina

Anisan’ny toerana ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana eny Isotry sy ny manodidina noho ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay milatsaka anaty arabe. Ny Alakamisy 13 Jolay 2017 dia tonga nanadio sy nanala ireo mpivarotra amoron-dàlana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra , fanadiovana izay niarahana tamin’ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany sy ny Polisy Monisipaly izay niisa 30 teo ho eo.


Nanomboka teny amin’ny Petite Vitesse ny asa, nandalo an’ Isotry ary nifarana teny Ampefiloha. Araka ny nambaran’ny lefitra Voalohan’ny lehiben’ny Boriboritany Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Mamy Nirina dia tokony hifanentana sy hifampitaiza ary hifanaja hatrany isika mba tsy hisian’ny fampiarana ny lalàna izay miteraka fanasaziana. Nanamafy hatrany izy fa tsy hijanona hatreo ny ezaka fanadiovana fa hitohy manerana ireo faritra hafa. Mpivarotra an-jatony teo ho eo no nesorina sy nentanina mba hamonjy ireo tsena ara-dalàna raha tsy izay dia manenjika ny tsenan’Isotry isaky ny Asabotsy. Hisy koa ny fepetra hentitra izay ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny fandaminana. Tanàna iaraha-manana Antananarivo ka tokony samy handray ny andraikitra sahaza azy ny tsirairay.

 

 

 

 

L’image contient peut-être : une personne ou plus, personnes qui marchent, foule et plein air

L’image contient peut-être : 1 personne, sourit, debout, marche et plein air

L’image contient peut-être : 1 personne, marche et plein air

L’image contient peut-être : 2 personnes, personnes debout, personnes qui marchent et plein air

L’image contient peut-être : 1 personne, marche, debout et plein air