Mpanakanto sady depiote Rossy – Milamina ny OMDA vao hanao seho misy endrika politika

Stefa

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny mpanakanto sady depiote Rossy, na Rahasimanana Paulbert, nandritra ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy volana martsa-aprily, amin’ny fotoanan’ny fararano, nomarihana omaly sy afak’omaly.

Nambarany fa:”tsy handray anjara amina fampisehoana misy endrika politika intsony aho mandrapilamin’ny raharaha OMDA. Tsy mahavita aho fa aleo ho vitain’ilay henjana be ao aminay. Ny ao aminay tsy miady an-trano fa mampirin-trano, izany hoe misy ny olona avy any ivelany nampidirina tao an-trano avy amin’ilay resaka hoe cerveaux, ouverture, nangatahan’ny communauté e! rehefa tafiditra tao anatiny ireo dia izahay no nailik’ireo voalohany. Izaho manokana, izaho tsy atao an’izany. Raha mitady porofo hoe nanohana fanjakana aho, dia manana facebook aho hatramin’ny naha depiote ahy. Efa in-2 izay, vakio daholo ny ao, fa raha mahavita ny vitako tao ianareo dia mitovy isika, fa raha tsy izay dia tokony hakombon’ilay olona ny vavany. Mahay vavabe ilay olona, no sady manimba Zavatra, moa izaho lehibeana sendika. Dia izaho rehefa miteny dia mitondra tenin’ireo artista rehetra namako, ka tsy tiako afangaro ireo. Rossy dia tsy handray anjara amina fampisehoana misy endrika politika intsony mihintsy aloha, raha tsy mba milamina ilay reska OMDA, fa menatra amin’ilay namako aho. Problème kely io ve dia tsy voavahana fanjakana. Rajaonarimampianina anie teo nalehanay tany dia niverina tamin’ny soniany e! Naveriny mihintsy ilay directeur teo aloha ary tsy menatra izy, satria ilay artista no jereny, dia ny anay ve dia tsy hahavita an izany, fa matoa izy tsy manao dia misy misakana azy ao. Mandra-pilamin’io, izaho dia tsy handray anjara intsony amina fampisehoana misy endrika politika na ho an’iza na ho an’iza. Namako daholo ireo milatsaka ho fidiana rehetra ireo. Izaho sady tsy miady aminy no tsy tezitra aminy, fa hipetraka aho amin’ity hanaja tena. Tsy mahavita aho fa aleo ho vitain’ilay henjana be ao aminay.”