Andro iraisam-pirenena momba ny rano – Nozaraina maimaimpoana ny rano tany Alasora omaly

Aly

Toy ny firenena maro eran-tany, nanamarika ny andro iraisam-pirenena momba ny rano koa isika teto Madagasikara omaly 22 martsa. Noho izay maha andro iraisam-pirenena ho an’ny rano omaly izay, nozaraina maimaimpoana ny rano ho an’ny mponina tao amin’ny Kaominina Alasora distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Izany rano nomena maimaimpoana izany, ho an’ny toeram-patsakana iombonana tao an-toerana dia nanomboka vao maraina, ka hatramin’ny 10 maraina. Izany no natao hoy ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa dia mba ho fanalana fahasahiranana kely ny mponina avy amin’ireo fokontany rehetra ao Anasora tsy manana rano any an-trano, noho izay andro iraisam-pirenena izay.