Antoko MMM – Miantso ny governemanta hamoaka ny tena datim-pifidianana

Stefa

Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’izao, indrindra ny momba ny resaka fifidianana ny avy amin’ny birao poltikan’ny antoko MMM, na Malagasy Miara-Miainga. Miantso ny governemanta izy ireo hamoaka ny tena datim-pifidianana amin’ny alalan’ny didim-panjakana na decret raisina amin’ny filankevitry ny ministra. Ny antoko MMM dia mitaky ny fampiharana ny lalàna, hoy i Me Rija RAKOTOMALALA avy ao amin’ny Birao Politikan’ny MMM: ”na dia efa nanaiky aza ny HCC hoe efa misy daty nomen’ny CENI any ary nampiharin’ny HCC iny daty iny, hatram’izao dia ny eo anivon’ny Governemanta indray no tsy sahy mamoaka ilay décret, na didim-panjakana hoentintsika hahafahana manatanteraka an’ilay fifidianana.

Nilaza ihany koa ity solontenan’ny birao politikan’ny MMM ity fa raha ny zava-misy ankehitriny, sy ny mizàna tsindrian’ila ataon’ny fitondrana Rajoelina dia mbola manjavozavo ny mety hisian’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity.

Na izany na tsy izany, efa miomana amin’izany fifidianana izany ireo antoko lehibe eto amin’ny firenena: ny TGV/MAPAR, ny TIM, ny HVM, ny AVI/Mihava Tour, ny Arema,… Eo koa ireo manara-maso akaiky ny lisi-pifidianana, ireo mitaky fikaonandoha aloha mba hanitsiana ny lalàm-pifidianana, mba ho eken’ny rehetra ny fifidianana sy ny vokatra ho azo eo.