Hetsiky ny antoko TIM – Ao Amboma indray tao aorian’ny teny Itaosy-Unis

Isambilo

Fifampiarahaban’ny antoko TIM, sy fanentanana ny olona hiditra anaty lisi-pifidianana, ao Amboma indray no hanatanterahana izany ny sabotsy izao, tao aorian’ny teny Itaosy Unis. Izany hoe ao amin’ny Boriboritany faha-6 Ambohimanarina indray, ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana no hanao izay hetsika izay, tao aorian’ny hetsika nosembatsembanin’ny mpitandro filaminana tao Avarabohitra Itaosy Antananarivo Atsimondrano.

Arak’izany, haneho ny tanjany indray ny mpikatroka TIM ao anatin’ny boriboritany faha-enina eny Ambohimanarina amin’io fotoana io. Nambaran’ny depiote voafidy tao amin’ity Boriboritany ity, Todisoa Andriamampandry, fa hisy amin’izany: fifampiarahabana nahatratra ny taona miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Fanentanana ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy. Tatitra ihany koa ataon’ izy Solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry.

Tsy misy hatahorana, hoy ny depiote Todisoa, satria toerana mifefy no sady an’olon-tsotra no hanaovana izany, ary efa vita ny fampahafantarana eny anivon’ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny. Ny sabotsy 25 Martsa 2023 ao Ambatolampy Ambohimanarina amin’ny 8 ora sy sasany maraina. Asaina amin’izany hoy izy ny mpikambana sy ny mpiara-dia rehetra, hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana.