Depiote Todisoa – Manampy ireo tanora ho amin’ny famokarana savony

Stefa

Mitohy hatrany ny asa sosialy sy fampandrosoana, izay tanterahan’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry. Misy ny fampianarana manamboatra savony ho an’ny tanora sy ireo liana amin’izany, ka ny fokontany Ambohimanandray Ambohimanarina, no nanohizana ny fampianarana izany ny faran’ny herinandro teo.

Ny mpampianatra dia Lalaina Rabezanahary. Tanjona amin’izao hetsika izao dia ny mba hanampiana ny fidirambolan’ireo tanora, sy ireo vahoaka, indrindra amin’izao fiainana sarotra izao. Nankasitraka izao hetsika nataon’ity olom-boafidy ity izao, ireo mpahazo tombontsoa tamin’izany fiofanana izany.