Rivodoza Freddy – Hiantraika any atsinanan’ny Nosy amin’ny herinandro ho avy

Stefa

Hisy fiantraikany any amin’ny atsinanan’ny Nosy hanomboka amin’ny herinandro ho avy io ny rivodoza Freddy, izay mbola ao amin’ny Ranomasimbe Indiana amin’izao fotoana.

Araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eto amintsika, amin’ity herinandro ity: ny13 – 19 Febroary 2023 dia 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara. Amin’ny herinandro manaraka kosa: 20 – 26 Febroary 2023 dia tokony harahi-maso akaiky ny fivoaran’i Freddy, satria 𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗳𝘆 izy hahakasika ny distrikan’i Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Vohibinany, Vatomandry, Mahanoro, Nosy Varika sy Mananjary. Mizotra manohy ny diany miankandrefana somary Atsimo Andrefana izy amin’izao fotoana. Hanomboka ny talata ho avy izao dia hisy fiantraikany amin’ny morontsiraka Atsinanana iray manontolo ny fanatonan’ity rivodoza ity. Mety hiditra eto Madagasikara izy, ka mety eo anelanelan’i Sainte Marie sy Mananjary no toerana hidirany! Mila mailo sy mitandrina tsara ary mila manaraka ny vaovao akaiky zany ny mponina amin’ireo faritra ireo!

• Hamakivaky antsika izy ka tombanana hivoaka andranomasina indray any amin’ny lakandranon’i Mozambika!
• Mahery vaika ity rivodoza ity ka raha toa ratsy ny fiomanana dia mety hamela takaitra maro izy!
• Tsy tokony hampiasa ranomasina intsony ny morontsiraka Atsinanana manomboka ny Alatsinainy! Torak’izany ihany koa manomboka eo Morombe hatrany taolagnaro!