Fanatanterahana ny fifidianana – Miala nenina ny TIM ny amin’ny tokony hisian’ny fifampiresahana

Helisoa

Manoloana ny hirosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, dia tonga teny amin’ny foiben-toeran’ny CENI teny Alarobia ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay notarihin’ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, sy ireo mambra ao anatin’ny birao politika. Nambaran’i Rina Randriamasinoro tamin’ny mpanao gazety, fa miala nenina hatrany ny TIM amin’ny hisian’ny fifampiresahana amin’ny resaka fifidianana, izay mbola tsy tara izany, ka izany hoy izy no nahatonga anay ho tonga ety amin’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena mikasika ny fifidianana CENI.

Zavatra roa hoy izy no nifampiresahana tao, dia ny fanomezana tolo-kevitra hitondrana ny zotram-pifidianana amin’ity taona ity. Teo koa ny fangatahana ny hisian’ny fifampiresahana eo amin’ny herivelona eto amin’ny firenena. Ny mpisehatra rehetra amin’ny Fifidianana: CENI, Governemanta, Antoko politika, Fiarahamonim-pirenena, Mpanara-maso Fifidianana, Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola… Ireo dia hifanakalo hevitra mikasika ireto lohahevitra roa ireto : 1- Ny volavolan-tetiandro hanatanterahana ireo fifidianana izay tokony hatao amin’ity taona 2023 ity, mifanaraka amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana; 2- Ny fomba fiasa mangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara, hahazoana lisitry ny mpifidy Feno sy Madio amin’izao Fanavaozana manontolo izao.

Manainga ny CENI izahay hanatanteraka izany sehatra ifampidinihana izany hoy Rina. Afaka nifanakalo hevitra tsara izahay hoy Rina Randrimasinoro; ka miandry ny ho tohiny isika. Ny tanjona mantsy hoy izy dia fifidianana madio sy tsy mandeha ila ny fifidianana ho avy ary handraisan’ny rehetra anjara ny hanatanterahana izany.