EDITO 9 Febroary – Fitondrana Rajoelina – Manao politikan’ny mpitari-bato vilam-bava

Sôh’son

Aok’izay ny fitenenana feno fihatsarambelatsihy ataon’izao fitondrana izao. Aok’izay ny fanaovana politikan’ny mpitari-bato vilam-bava. Nisarika ny saina ny tenin’ireo sendikà sy fikambanana niresaka tamin’ny haino aman-jery, mazava loatra an’ny tsy miankina, ny talata lasa teo. Nisongadina tao anatin’izany ny filazana ny amin’ny hoe « tany tsy tan-dalàna no misy eto », raha ny tranga manjo azy ireo. Anisan’izany ny nambaran’ireo mpiraki-draharaha, izay mahafantatra tsara ny lalàna, sy ny antsojay manjo azy ireo.

Midika zavatra be dia be izany. Ampy itarafana ny fisian’ny tsy rariny eto amin’ny firenena ny zava-misy ao anatin’izany tranga izany, ary santionany io. Manjaka ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ity firenena ity ao anatin’izao fitondrana izao ary nahazo laka mihitsy izany. « Ny fitondrana no tena mahatonga ny fisian’izany », hoy ny profesora James Ratsima izay fony fahavelony, ary niady mafy tamin’izany izy. Tsy re loatra firy aloha hatreto ny fikambanana misy azy na asa manao asa any ambadika any, fa mila tohizana izany nataony izany fa tsy tokony hifarana velively. Hahapotika ny vahoaka malagasy mantsy izany, indrindra ireo sarambabem-bahoaka mahatsiaro ho tsy misy mpiaro intsony.

Miseho ho anisan’ny mpino kristiana ny filohan’ny Repoblika tato ho ato. Mazava loatra, ary tsy misy izay tsy mahalala, fa ny teny ambarany rehetra dia tsy maintsy misy kajy politika avokoa ho fiarovan-tseza sy tombontsoa manokana ary ho famelezana ny mpifanandrina politika aminy. Politika maloto tsotra izao izany satria atao fitaovana ny fivavahana. Fihatsarambelatsihy izany, etsy ankilany manao ho mpino, etsy andaniny mitsipaka izany amin’ny famelezana ny mpanohitra.

Etsy ankilany miseho ho manindrahindra firaisan-kina, andaniny milaza na tsy ambara mivantana aza, manao izay tsy hihavanan’ny samy malagasy, fa misy ankolafin’olona ailika. Izao fitondrana Rajoelina izao tsy nanam-piniavana velively ny hampiray hina hampihavana ny samy malagasy. Porofon’izany ny tsy namakiana loha nandritry ny 5 taona latsaka nitondrany ny momba fanonerana ireo gadra politika. Na tamin’ny taona niafaran’ny tetezamita nentiny na tamin’izao fotoam-piasany tsy ho ela dia hifarana izao. Nataon’izao fitondrana an-tsirambina sy tsy nomena lanja mihitsy ny fampiverenana ny firaisan-kina sy ny fihavanan’ny Malagasy. Any amin’ny azony isarangotana sy japiana haingana toy ny tranga Barea vao mody mihazakazaka sy miseho ho “mpanao mazia”.