Mpampianatra vacataire amin’ny Oniversite – Sahirana, tsy nandray ny tambin-karamany efa an-taonany maromaro

Niaina

Sahirana ireo mpampianatra vacataire amin’ny Oniversite eto amintsika amin’izao fotoana, efa an-taonany maromaro izy ireo tsy nahazo ny tambin-karamany, na vacation-ny.

Ny fanadihadiana natao no nahafantarana, fa ny asa tany amin’ny taona 2018, no nisitrahan’izy ireo tambiny farany tamin’ny taona 2021 iny, izany hoe tsy azo hatramin’izao ny an’ny taona 2019 ka hatramin’izao 2022 izao. Manahy izy ireo sao efa ny an’ny taona 2022, na ny aorian’izay ihany no hisitrahany. Manahy koa izy ireo ny amin’ny tsy fangaraharaharan’ny “recrutement”, noho ny tsy fisian’ny “bases de données” mazava tahaka ny an’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay entina manao fampidirana ny mpiasa ho mpiasam-jankana raikitra ampahibemaso.

Miantso ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, izay mpiahy azy, ireto mpampianatra tsy raikitra eny amin’ny ambaratonga ambony ireto, mba handray andraikitra, sy hamaha izao olana izao. Manana ny anjara toerany amin’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, ireto sokajina mpampianatra ireto, satria ny mpampianatra raikitra eny ny ankamaroany dia efa nahazoazo taona avokoa.