Zava-misy eto amin’ny firenena – Tsy miloko mena intsony fa efa mirehitra afo mihitsy

Andry Tsiavalona

Tsy miloko mena intsony fotsiny ny tondro manambara ny toe-draharaha rehetra iainana eto amin’ny Firenena fa efa mirehitra afo mihitsy. Tsy azo afenina intsony fa misy ny hiniana arehitra ary ao ireo efa hitan’ny mpitondra fa mirehitra kanefa dia na tsy manana ny fahaiza-manao na ny fitaovana entina mifehy izany na manampi-maso fotsiny ny tomponandraikitra. Efa ela no nirehitra ny afo eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka satria nisy fotoana nivoaka ny hefitrano fivoriana ny praiminisitra noho ny nataon’ny minisitra iray izay niseho ho « super ministre » ka tsy azo fehezina sy hahitsy eo amin’ny làlandiso nizorany. Tsy mbola maty ny afo hatramin’izao satria tsy mitsahatra manao izay tiany atao ity minisitra ity ka hita eo anilan’ny filohan’ny Repoblika mandrakariva na aiza na aiza alehany, na any amin’ny fivoriana any amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza. Misy ihany koa ireo minisitra tsy hita popoka mihitsy ary tsy fantatra izay nataony hatramin’ny fotoana nanendrena azy ka singanina manokana amin’izany ny minisitry ny fizahantany, ny minisitry ny mponina, ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora.

Misy koa ny nanao be fiavy tany amboalohany kanefa, angamba, afo mololo ihany izany ka lavenona sisa tavela ary anisan’izany ny minisitry ny fitanterana. Hita fa nirehitra tokoa ny afo teo amin’ny minisitra sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny « Madagascar Airlines », maty an-karanany ve ny afo. Tsy mananko lazaina koa ny minisitera manolohana ny fanomezan-dàlana ny « taxi moto » hahazo hanao fitanterana eto an-drenivohitra. Asa anefa raha tsy afaka mitsabaka amin’izany ity minisitera ity kanefa heverina fa andraikiny daholo ny sehatry ny fitanterana rehetra. Telo herinandro teo izao dia nirehitra tanteraka i Madagasikara ka niraviravi-tànana ny minisiteran’ny tontolo iainana ka nahafatra izao fitaovana rehetra izao ho entina hamonoana ny afo. Tsy mana-kolazaina amin’izany ny governemanta iray manontolo fa niantso tànamaro nandeha namono afo kanefa dia ravin-kazo no nentina tamin’izany. Tsy manana vina ho entina manarina ny lasa lavenona anefa ny mpitondra na dia nampanantena aza fa ho rakofana zanakazo ny enina alina hektara eto Madagasikara.

Mirehitra tanteraka ihany koa ny faritra maro eto amin’ny Firenena raha ny tsy fandriampahalemana no tenenina. Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no nisy tanàna iray manontolo nodoran’ny mpiaro ny « vahaoka sy ny fananany » satria, hono, tanàna mpampiantrano sy mpamatsy sakafo dahalo. Amanjatony no tsy manan-kialofana sy very fananana tao anatin’ny indray mipi-maso. Mirehitra indray izany ny afo eo amin’ireto mpandoro tanàna ireto sy ny mponina satria tokony natao izay namandrihana ny dahalo sy namongorana azy, ary inona izao no fepetra ho raisin’ny mpitondra hanarenana ny fiainan’ny mponina ao amin’ity toerana ity. Miaina ao anaty afo be mampatahotra ny mponina manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ary tsy mety maty izany ka may izay andalovan’izany.

Tato anatin’ny herinandro, eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka ihany dia tsy fantatra iza marina no nandrehitra ny afo, teo amin’ireo telo lahy faratampony ao amin’ity andrim-panjakana ity, satria rakotry ny setroka tanteraka izay nifanarahan’izy ireo momba ny safidin’ny minisitry ny raharahambahiny nanameloka ny fibodoan’ny rosiana ny faritra efatra any Ukraine. Afon’apombo ity toe-draharaha ity ka na toa tsy misy afo miredareda aza dia ho may izay manitsaka eo satria tsy azo hiverenana intsony ny latsabato ka raha hilaza ny fitondrana Rajoelina Andry fa tsy nifanarahana izany dia hilaza ny tandrefana fa miandany amin’ny fananiham-bohitra ataon’ny rosiana izany izy Ka tsy hisy antenaina intsony ny momba ireo Nosy Malagasy bodoin’i Lafrantsa, ary ho tapaka tanteraka ny famatsiana ara-bola avy any amin’ny tandrefana ho an’ireo tetikasa. Raha hanambara anefa fa manaiky ny latsabato dia ho avy ny rosiana amin’ny angady sy ny harona satria nisy fifanarahana ara-tafika teo amin’ity firenena ity sy i Magadasikara.

Raha ireo tranga ireo no dinihana dia midedaka sy mandravarava ny afo ary manaparitaka izany haingana ny fitsoaky ny rivotra. Tsy afom-panadiovana ny mpanao ratsy anefa no misy eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao fa afo mandevona ny tsara sy mampitsiriritra ny hafa.