Fitondrana Rajoelina – Tratry ny aretina « adalàn’ny fanambonian-tena »

Andry Tsiavalona

Tratry ny aretina “adalàna fanambonian-tena” izao fitondrana izao ka jamba tanteraka tsy mahita izay tsy maintsy hatao sy tsy tokony hatao, manoloana ny toe-draharaha iainan’ny mpiray Tanindrazana aminy.

Mahantra zara raha mihinan-kanina, ary efa mananika ny roa tapitrisa no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy kanefa dia namono omby amam-polony tany Avaratra. Angamba efa ampy iny hetsika nataon’ny filohan’ny Repoblika sy ny vadiny nandoatra vary ho an’ny mponina tany Atsimo iny. Na izany na tsy izany dia fisehosehoana manampi-maso miserana ihany ireny kanefa vahaolana maharitra sy voarindra no ilain’ny vahoaka mahantra 92% ny mponina eto Madagasikara. Alefa ny serasera am-bava mampamirapiratra ny zava-bita lazaina fa manara-penitra kanefa rehefa mivoaka ny sarin’izay nolazaina ho toy izany dia mamirapiratra ny lokom-boasary kanefa dia rindrina mitriatra sy vakivaky ary mihotsaka no mitanila aminy.

Averimberin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina foana isaky ny mitokana na mametraka “vato fototra”, fa tsy mbola nisy nahavita izay ataony ny fitondrana nifandimby teto nandritra ny 60 taona. Tena marina tokoa izany saingy amin’ny endriny miiba. Tsy mbola nisy filoham-pirenena nitokana toerana fampiadiana akoholahy toy ny nataon-dRajoelina Andry tany Antsiranana tokoa. Tsy mbola nisy filoham-pirenena tsy nahafantatra fa ny omby vositra dia tsy azo angalana taranaka izany. Tsy mbola nisy filoham-pirenena tsy mahalala fa misy Faritra mamokatra vary in-droa na in-telo isan-taona toa an-dRajoelina Andry, izay nilaza ampahibemaso fa 2 taona vao miakatra ny vary, ka aleo mamboly “artémesia”. Tsy mbola nisy Filohan’ny Fahefana Mpanatanteraka ka nanala takelaka manamarika fa efa nametrahan’ny teo aloha vato fehizoro ny fotodrafitrasan’ny làlana na trano iray, ka soloina takelaka milaza fa Rajoelina Andry no nanao izany.

Araka izany dia tsy mbola nisy Filoham-pirenena tsy nahalala, fa misy ny fitohizan’ny raharaham-panjakana (continuité de l’Etat), ka lasa misoloky fa izy no nahazo sy tompon’ny tetikasa. Entina manaporofo izany ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fitokanana ny “rocade’ fa tamin’ny taona 2011, no nanaovany sonia ny nahazoana famatsiam-bola nanamboarana izany. Tsy mbola fahita teto amin’ity Firenena ity ny fiezahana namafa izay nataon’ny mpitondra teo aloha, ka nilazan’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nisy nahavita nanangana sekoly betsaka noho izy teto amin’ny firenena. Ny zavatra iainan’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana anefa dia tsy mbola hita teto nandritra ny 60 taona. Marina izany satria tsy mbola nisy fanadinana bakalorea naverina ho an’ny tsy afaka raha tsy tamin’ny taona 2019, noho ny nivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana. Tsy hita teto amin’ity Firenena ity izany mpandraharaha eny amin’ny Anjerimanontolo sy eny amin’ny sehatra hafa mitokona izany noho ny tsy fandraisany karama raha tsy amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Nisy ny famoahana antsokosoko harem-pirenena toy ny volamena sy andramena toy izay nisy tamin’ny tetezamita sy amin’izao fotoana izao, izay niteraka fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra sy fatiantoka ho an’ny Firenena. Nirehareha Rajoelina Andry fa tsy mila ny famatsiambola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mahazatra fa mahavita tena ary hampisambotra an’i Kaomoro aza, kanefa tsy mbola nisy Filoham-pirenena nanao toa azy izay mijaridina ao afaran’ny minisitry ny Vola sy Toekarena sy ny mpamatsy vola manao sonia ny fifanarahana ara-bola hamatsiana tetikasa na fanampiana an’i Madagasikara.

Vao omaly indray dia nandatsa ny vahoaka tsy ampy sakafo any Atsimo, ka nanolotra omby 13 ho an’ny ben’ny tanàna any an-toerana ny filohan’ny Repoblika, raha nametraka ny “vato fototry” ny fanombohan’ny Làlam-pirenena 13, izay efa nidedahana fa tsy maintsy vita herintaona lasa izay ary nanambarana ihany koa fa “tsy hanao politika intsony raha tsy vita tamin’izany ity làlam-pirenena ity. Tsy mbola nisy Filoham-pirenena nandihy tamin’ny Fotoam-pivavahana toy izay nataon-dRajoelina Andry tao Mahamasina tamin’ny Alahady nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny Fetim-pirenena. Hanafatra jiro hanjelanjelatra manerana ny tanàna ny fitondrana mandritra izao “Asaramanitra” izao kanefa dia miaina delestazy tsy mbola nisy toy izany ny vahoaka. Ny faniriana dia tsy hitarika “fahajambana” ho an’ny valalabemandry mandritra ny taona maro ho avy indray izany “mamirapiratra” ao anatin’ny andro vitsivitsy izany!