Fanenjehana an’i Clemence – Taratry ny fikorontanana ao anivon’ny fitondrana Rajoelina

Niaina

Nandritra ny Herinandro Masina no niakatra teny anivon’ny fampanoavana amin’ny Fitsarana teny Anosy i Clemence Raharinirina, mpanolotsainan’ny tanàna avy amin’ny IRD ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Izany no midika aloha, fa tsy misy ny fitoniana nandritra ity fiandrasana ny Paska na Paka ity teto amintsika, ny Herinandro Masina toy izao anefa dia fotoana tokony hisian’ny fitoniana politika.

aha ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity izany no jerena sy fakafakaina dia ny fitondrana mihitsy, no tsy mampisy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Araka ny angom-baovao voaray tamin’ny loharanom-baovao samihafa aza, misy fikorontanana ao anivon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny filoha Rajoelina sy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Manaporofo izany hoy ny vaovao voaray, nitranga iny mbola fanenjehana an’i Clemence iny, nandritra ny Alakamisy Masina mihitsy, izay anisan’ny andro lehibe amin’ny Herinandro Masina, ankoatra ny Zoma Masina, namonoana an’i Jesoa Kristy tamin’ny hazo fijaliana, sy ny andron’ny Paska nitsanganany tamin’ny maty, ho famonjena ny olombelona rehetra.

Araka ny loharanom-baovao, misy olana amin’izao fotoana ny fifandraisana eo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Vazahabe Naina Andriantsitohaina, sy ny Filoha Andry Rajoelina. Ny ben’ny tanàna manao izay handetehana an’i Clemence, efa ho fanimbalony izao, niampy iny tamin’ny alakamisy teo iny; toa tsy manaiky izany anefa ny Filoha, ka dia tsy naiditra am-ponja ny filohan’ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra), fa afaka nody. Amin’ny 4 mey ho avy izao ny fotoam-pitsarana iny raharaha farany teo iny. Ity farany rahateo nanambara fa tsy manana olana amin’ny fitondrana, fa ny fitantanan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany no olany. Na izany na tsy izany, sarotra ny hanagadra olona mandritra ny Alakamisy Masina izany aloha, na mitombina na tsy mitombina ny vaovao voaray. Ny tsapa aloha, mbola tena henjana ny tady eo amin’i Clemence sy i Vazahabe! Ho hita eo ny tohiny ao aorian’ny fetin’ny Paka.