Tamin’ity fitondrana Rajoelina ity – Tsy misy henomby amidy ny Bazar-n’i Morondava

Jean Patrick R.

Morondava faritra Menabe, resaka fandraharana omby, tamin’ity fitondrana Rajoelina ity vao tsy nisy hen’omby amidy ny bazar–n’i Morondava.

Ny talata faha 02 novembra dia nivory ireo lehiben’ny boriboritany rehetra tato amin’ny faritra Menabe nohon’ny olana sedrain’izy ireo eo amin’ny fanantanterahany ny asany, ka mitaky ny fampiharana ny ARRETE INTERMINISTERIEL N°17916/2020 fixant modalités d’application du Décret N° 2017-023 DU 10/01/17 rélatif au recensement d’identification ; à la circulation et la commercialisation des bovins; indrindra ny andininy faha-05 ary miandry ny hananan’ny mpiompy ny bokin’omby, izay voalaza ao amin’ny andininy faha-05 io ny CAA, vao miroso amin’ny famoahana FIB araky ny fitanana an-tsorana nataon’izy ireo.

Vokatr’izany dia lany tamin’ny talata faha-23 novembra teo ny tahiry ho an’ireo mpivaro-kena, ka tsy misy intsony ny omby ho vonoina raha ny eto Morondava manokana. Raha omby folo isan’andro no vonoina amidy manerana an’i Morondava amin’ny andavanandro, fa avo roa heny izany rehefa fety sy ankatoky ny fety toy izao. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivaro-kena dia milaza izy ireo, fa tsy mitokona akory ny mpivaro-kena, fa noho ny olana misy eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo biby ary ny Delege no lasa tsy hiasan’izy ireo, izay lasa miteraka olana ho azy ireo, satria dia tokantrano maro no mivelona amin’ny fivarotan-kena eto Morondava. Koa manao antso avo amin’ny mpitondra foibe ireto mpivaro-kena ato Morondava ireto, mba hijery vahaolana mikasika ity olana ity, fa sahirana izy ireo. Ny mpitondra aty an-toerana tsy mahavaha ny olana na dia niezaka nanatona ireo tompon-andraikitra aza izy ireo dia toa ifanilihan’ny mpitondra aty an-toerana fotsiny.

Ny mahagaga azy ireo dia rehefa ny mpitondra aty an-toerana no hamono omby dia toa mandeha ho azy ary tsy misy resaka na dia ny fanamarinana aza, tsy misy fa tonga dia entina izay omby hita avy any; ary ireo mpitondra omby miakatra koa dia mbola mandeha foana, izany hoe misy ihany izany ny mahazo taratasy sa ve olona ambony no tompon’ireny, ka mahita lalana ambanin’ny tany? hoy hatrany ireo mpivaro-kena. Takian’izy ireo ny hisian’ny service minimum na dia misy aza ny fitokonana, fa tsy ny fiveloman’izy ireo no atao sorona manoloana ny olan’ny samy mpiasampanajakana; ahiana koa ny mety hiakaran’ny vidin’ny henomby amin’izao fotoana maha sarotra ny omby izao, hoy hatrany ireo mpivaro-kena.

Etsy ankilany koa dia mitaraina ireo mpanjifa, satria dia isan’ireo faritra maro fady kisoa ny aty Morondava ary ilain’ny fahasalamana ny fihinana hena, koa manao antso avo amin’ny mpitondra izy ireo, mba hamaha ny olan’ny fivarotan-kena faran’izay malaky, satria ny fety ho avy ary efa manararaotra koa ireo mpivarotra akoho amam-borona, satria tsy misy ny henomby dia tsy maintsy mividy akoho na vorona izay mahatakatra hoy ny mpanjifa.

Ireo mpiompy kosa dia very fanahy mbola velona, satria ny fihariana omby, no mba bankin’ny tantsaha aty; na dia sarotra aza ny famarotana omby teo noho ny pitsompitsony maro, eo koa ireo karazana vola alain’ny tompon-andraikitra dia izao indray misy izao olana izao nefa ny fomba aty Menabe dia mamono omby rehefa misy fety sy fahoriana, eo koa rehefa misy fahasahiranana dia tsy maintsy mivarotra omby nefa izao dia tsy afaka hamidy ny omby.

Koa manontany tena ny rehetra hoe fa mbola misy mpitondra afaka mijery ny vahoaka ve eto? satria raha nangingina ny halatr’omby dia izao nogiazana izao indray ny resaka fandraharana omby.