Fampihantonana fandaharana politika – Tonga amin’ny fetra tsy azo leferina intsony isika hoy ny HVM

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fampiatoan’ny fitondrana ireo fandaharana politika amin’ny haino aman-jery samihafa, tamin’ ny alalan’ireo ministera 5, misy ny fanambarana nataon’ny antoko HVM : Hery Vaovaon’i Madagasikara.

Manameloka ny tanteraka ny fanapahan-kevitra miendrika Jadona, sy ny fanitsakitsahana ny lalàna velona mifehy ny hamehana ara-pahasalamana voalazan’ny andininy faha-61 ao amin’ny Lalàmpanorenana ny HVM. Toheriny ny zo fototra hananan’ny olom-pirenena haneho hevitra sy hahazo vaovao, izay mampihemotra ny demokrasia nimatimatesana tamin’ireny tolom-bahoaka nifandimby nisy teto ireny.

Aoka tsy hafenina amin’ny alalan’ny fanapenam-bava ny vahoaka, ny tsy fahombiazan’ny Mpitondra amin’ny ady atao amin’izao valanaretina amin’ny endriny vaovao izao. Ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy natao ho hery famoretana ka hamotehana ny soa toavina demokratika sy ny fanjakana tan-dalàna.

Efa tonga amin’ny fetra tsy azo leferina intsony isika, hoy ihany ity antoko najoron’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ity. Miaina ao anaty fahoriana sy fitaintainana lalina isan’andro ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, ka ilaina ny fisian’ny adi-hevitra amin’ny haino aman-jery, izay fitaovana hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Noho izany hoy ny HVM, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraly nasionaliny Rachidy Mohamed: mitaky ny fanafoanana tsy misy fepetra io fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana io izy ireo. Miantso ny Malagasy rehetra hijoro hiady amin’ny Didy Jadona, izay mitady hiorim-paka eto amin’ny firenena ary hitaky ny ara-dalàna sy ny ara-drariny ao anaty fankatoavana ny soa toavina Malagasy: ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Tongava saina, tongava jery isika mahàzahôa hônondràha, hoy ihany ny fanambarana. “Mifanome tanana ho amin’ny fampandrosona”, anisan’ny teny filamatry ny HMV no namaranany azy.